- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoelà: Kiraron'ny tanora sosialisitra toa efa mahazatra

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Hehy, Politika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

Simón Bécquer avy ao amin'ny Alternative Reality blog [1] ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe Ny  kiraro Converse ho an'ny tanora Sosialisitra [2] [teny esipaniolona] no mampiseho antsika sary fanentanana ny tanora venezoeliana, izay ahitantsika tanora ampanaovina kiraro sosialisitra. Na izany aza, hita ho manana endrika mahazatra hafahafa ihany ilay kiraro nasehon'ny filoha Chávez tenany: Manana ny loko menan'ny marika avy any Etazonia (US) Converse [3] Chuck Taylor All Stars, misy ny sary famantaran'ny PSUV misolo ny loko mena sy kintana manga mahazatra ireo kiraro ireo. Manontany tena ny amin'izay toerana nividianana ireto kiraro Venezoeliana “original” ireto ny mpanoratra.