- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombia: Mpilalao golf lasa reharehan'ankizy

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Fanatanjahantena

Ao amin'ny Good Times in Medellin (fotoana mahafinaritra ao Medellin) [1], no anoratan'i Medellin Travel fa manana olona vaovao azo atao fitaratra ny ankizy Kolombiana: 26 taona ilay mpilalao star Camilo Villegas [2], izay nahazo ny matoam-baovaon'ny haino aman-jery raha nandrombaka ny BMW Championship PGA Golf Tour tamin'ny volana lasa, izay vao sambany ho an'ny Kolombiana.