- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Bolongana mpanaramaso ny fifidianana Eoropeana iray

Sokajy: Azerbaijan, Fifidianana, Politika

Eny an-dalana ho any Azerbaijan [1] i The Continuing Adventures of Super Steve (Ny tohin'ny tantaran'ilay mahery Steve) hanaramaso ny fifidianana ho filoham-pirenena any amin'io firenena io amin'ny 15 Oktobra ho avy izao. Milazalaza [1]zava-bitsivitsy momba an'Azerbaijan ho an'ny mpamakiny ny bolongana ary manambara ihany koa ny fomba  fiasan'ny [2] vondrona iraisam-pirenena OSCE/ODIHR mpanaramaso ny fifidianana.