- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran : Ny talenta manokana mba “tsy hifandraisan-tànana” amin'ireo vehivavy

Sokajy: Iràna, Fitantanam-pitondrana, Vehivavy sy Miralenta

Faryadbiseda mpiblaogy Iraniana no nanapariaka sary maromaro ahitana ny fihaonan'ny filoham-pirenena Iraniana Mahmoud Ahmadinejad sy vehivavy mpamangy [1]. Mandà ny handray ny tànan'ireo vehivavy mamangy azy ireo ny filoha Iraniana rehefa mifampiarahaba. Satria toa hoe raràn'ny foto-pinoany ivavahany sy ireo Iraniana maro ny hifandray tànana amin'ny vehivavy.