- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nikaragoà: Tarika tsy mijoro ara-dalàna mahazo fanohanana ara-bola

Sokajy: Amerika Latina, Nikaragoa, Lalàna, Mozika

Ampangain'ilay mpamaham-bolongana Nikaragoana Ingrid Bergman [1] ny tarika (mpihira) maromaro tsy manana fijoroana ara-panjakana nefa dia tsy manana olana amin'ny fahazoana fanohanana ara-bola mihoa-mpampana. Ao amin'ny bolongana Sweet Orchid [2] (voninkazo mamy) no anondroan'ny mpanoratra fa mahazo fanohanana ara-bola avy any ivelany saingy antsoiny fa “fanasana vola azo tamin'ny tsy rariny” ny tarika toa an'i Milly Majuc [3] , Carga Cerrada [4] ary División Urbana [5] .