- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Okraina: Sambo “azon'ny” piraty

Sokajy: Okraina, Somalia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna

The 8th Circle na ny faribolana faha-8 no miresaka [1] momba ny fanafihan'ny piraty tamina sambo Okrainiana iray: “Ahoana moa ianao no hiatsambo miaraka amin'ny fiara mifono vy 30 MIAMPY fitaovana hafa fampiasan'ny miaramila no tsy ampy fiarovana hanosehana fanafihana piraty? Araka ny hita ao amin'ny tranonkalan'ny Minisitry ny raharaham-bahiny Okrainiana dia 21 ny olona tao, ka 17 ny Okrainiana, 3 ny Rosiana ary Letoniana ny iray.”