- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Jiolahin-tserasera manao Jihad (na sovoka anaovana jihad)

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Teknolojia

Mihanaka avy eny an-tokontany hiditra amin'ny tontolo viritoaly ve ny Jihad [1] ? Soratan'ny mpamaham-bolongana Ejipsiana Marwa Rakha [2] eto [3] (sy eto [4]) ny fahatongavan'ny adihevitra mandeha eo amin'ny vondrona lahika sy Isilamika ao Ejipta amin'izao fotoana izao.

Manoratra ary izy:

It is no big secret that the number of Egyptians who believe that Egypt should become a secular nation are increasing. Mainly, intellectual bilingual well-educated people have realized that inter-faith strives are holding the country back.

Efa tsy afenina intsony fa mitombo isa ny Ejipsiana mino fa tokony hiova ho firenena lahika Ejipta. Ny ankamaroan'ny olona ambony fahalalana sy mahay fiteny roa no mahita fa mitazona ny firenena ho tratra aoriana ny adim-pinoana.

Ary hita tokoa fa mametraka ny fisiany amin'ny alalan'ny fitondrany ny adiheviny sy ny tolony ao amin'ny tontolom-bolongana sy ny vondrona Facebook isankarazany na ny lahika na ny mpivavaka Ejipsiana.

Manazava i Rakha:

On the other hand, the number of Islamic fundamentalists and Muslim Brothers is increasing. Their jihad methods have evolved from swords, bombs, banners, stickers, and tapes to invade the world wide web.

Etsy ankilany, Mitombo isa ihany koa ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny Silamo miraikitra amim-pototra. Nivoatra avy amin'ny sabatra, baomba, saina mihofahofa, peta-pitaratra ary ny horonam-peo ny fanaovany ny jihad ary dia mipaka amin'ny tontolon-tserasera amin'izao fotoana izao.

Ary dia betsaka tokoa ny fitaovam-piadian-kevitra sy fandresen-dahatra ampiasain'ny roa tonta eo amin'ny tontolon'adin'ny aterineto. Mbola manazava amintsika ihany i Rakha:

Facebook's liberal activists were the main target of hackers who took over accounts, changed the name of the owner, sent out messages to his or her friends, deleted the account altogether, sabotaged his or her groups, and used obscene pictures and words to totally defame that person. Groups that were hacked began posting offensive messages about the admins who lost control over the group and the hackers had more access to more people who do not think that Egypt is an Islamic country. Other than hacking, they created fake accounts that mimicked those of known liberal writers and activists.
One of the activists said “my account was hacked which is painful, especially that I had previously lost all my content while joining a network and I had to start all over”
Another activist said “I personally suggest for group owners to have always a backup account as well and both of them admins; I learnt this tip from other group owners. As for not using my own self I don't like the idea. I prefer being me, if there are sick people out there its their problem. Facebook was meant for us to get together decently and to get to know each other normally; if I need to go through all this hassle I'd rather then not use it at all.”

Ny mpikatroka liberaly ao amin'ny Facebook no tena tratran'ny sovoka amin'ny adiresin-tseraserany, voaova anaran'ny tompon'adiresy, dia andefasan'ny mpisovoka hafatra any amin'ny naman(‘ny tompon'adiresy), mamono ny adiresin'ny mandefa sy andefasana, migafy ny vondrona misy azy, ary mandefa sary sy teny mamohehitra hanalana baraka io olona io. Izay vondrona tratran'ny sovoka dia mahazo hafatra mahery vaika momba ny mpandrindra azy izay tsy mahafehy ny vondrony intsony ary dia mahazo adiresin'olona tsy mieritreritra ny mahafirenena Isilamika an'i Ejipta maromaro kokoa indray ny mpisovoka (jiolahin-tserasera). Ankoatra ny fisovohana moa dia mamorona adiresy sandoka makamaka tahaka ny an'ireo mpanoratra sy mpikatroka fantatra fa liberaly ny mpisovoka.
Mpikatroka iray no niteny fa voasovoka ny adiresiny ary maharary izany, indrindra moa fa very daholo ny nananako teo aloha rehefa miditra ny serasera aho ary tsy maintsy miainga hatramin'ny voalohany indray.
Mpikatroka hafa indray no nanome sosokevitra ny tompom-bondrona mba hananan'izy ireo adiresy fiandry izay mpandrindra ihany koa. Lesona azo avy amin'ny tompom-bondrona hafa izany.Raha ny hoe tsy fampiasana ny anarany amin'ny serasera indray dia tsy ankasitrahany loatra satria fidiany kokoa ny mijoro amin'ny mahaizy azy, raha misy moa ny olona kanosa hanao ny tahaka izany dia olany manokana izany. Natao hiaraha-mitafa sy ifankahalalana amin'ny fomba tsotra ny Facebook; raha toa moa tsy maintsy sedraina ao avokoa izao fanakorontanana rehetra izao dia naleoko tsy nampiasa azy akory.