- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana: Namoaka DVD ilay mpanao politika Yuri Fujikawa

Sokajy: Japana, Politika, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

Ny hivoahan'ny [1] [ja] DVD mampivoitra ilay mpanao politika japoney 27 taona Japanese Yuri Fujikawa [2] [藤川 優里], mpikambana ao amin'ny antenimieran'ny tanànan'i Hachinohe [八戸市] ao amin'ny Pirefekitioran'i Aomori [青森県], izao no ambentin-dresaky ny dinika (forum) rehetra [3] [ja]. Raha hitamberina ny nidirany tamin'ny asany voalohany tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia nantsoina hoe “mahafatifaty loatra [4]” i Fujikawa [ja], nefa nambarany ombieny ombieny [5][ja] tamin'izany fotoana izany fa tsy mieritreritra velively no ho tarento izy [6].[ny tarento any Japana dia olona aseho tele matetika noho ny hatsaratarehiny sy ny bikany mba hisintonana mpijery sy hampiala voly ihany koa]