- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina sy Taïwan : Hatezerana vokatry ny vovo-dronono voapoizina vita avy any Shina

Sokajy: Shina, Taiwan (ROC), Fahasalamàna, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana

Ireo vokatra vovo-dronono, novokarin'ny vondron'orinasa Sanlu (三鹿) avy any Shina, dia tsikaritra fa voapoizina tamin'ny alalan'ny melamine [1]taorian'ny nahitàna fa zaza an-jatony no narary tratry ny vato any amin'ny voa [2][amin'ny teny anglisy] (calculs rénaux). Zaza iray tany amin'ny faritany sinoa ao Gansu no maty noho izany.

25 taonina tamin'ny vovo-dronono novokarin'ny vondron'orinasa Sanlu no naondrana nankany Taiwan tamin'iny volana Aogositra lasa iny, ary niteraka sahotaka be tokoa tany Taiwan ity vaovao ity.

I Sinhong [3][amin'ny teny Sinoa] no mitantara ny amin'ny fahataràn'ny fampilazàna ny vahoaka avy amin'ny governemanta Sinoa momba ilay vovo-dronono voapoizina

今年三月,中國境內即傳出有嬰兒喝出問題,六月中傳出病例報告,奶粉出口到台灣即在此時,八月初中國三鹿公司驗出奶粉含有毒的三聚氰胺,卻九月十一日才封存回收,十二日傍晚才通知台灣。

Tamin'ny volana Martsa, tao Shina, dia efa nisy siosio nandeha fa nisy zazakely maro narary vokatry n y fihinànana vovo-dronono voapoizina. Nohamafisin'ny filazàna avy amin'ny Hopitaly izany ny volana Jona, ary nanodidina io fotoana io no nanondrànana ireo vovo-dronono voapoizina ho any Taiwan.. Ny fiandohan'ny volana Aogositra, nahatsikaritra ny vondron'orinasa Sanlu fa misy melamine tany anatin'ny vovo-dronono novokarin'izy ireo. Na izany aza,, nangatak'andro lava ny amin'ny tokony hamerenana ireo vovo-dronono ny vondron'orinasa Sanlu hatramin'ny 11 septambra, ary dia nilaza tamin'ny tompon'andraikitra Taioaney (Taiwanais) ny governemanta sinoa ny 12 septambra.

Kianin'i Eric [4][amin'ny teny sinoa] ny tsy firaharahàn'ny governemanta taioaney (Taiwanais) sy ny fanaovany tsinontsinona ilay fampitandremana ary ny fahataràn'ny hetsika avy aminy.

人命關天的大事,十二日接到電話的海基會竟感覺「善意」,而後府院噤不做聲,見事態愈演愈烈後,到昨日才由劉兆玄召開跨部會議下令展開交涉,這種末梢神經近乎麻痺的狀態,最可能的病因只有一個,就是唯恐破壞馬英九上台後一路「呵護」的兩岸氣氛…影響所及,連人民最基 本的生命健康都無能保障。

Resaka saro-pady mahakasika ain'olombelona izy ity, ka tena nanohina tokoa ny Strait Exchange Foundation (海峽交流基金會 [5]) ny “fihetsika maha-te hidera” nataon'ny governemanta sinoa, raha ninia nangina kosa ny governemantantsika. Tato aoriana, nony hitan'izy ireo fa tsy voafehiny intsony ny raharaha dia nanapa-kevitra ny hampiantso fivoriana iraisan'ireo ministera isan-tsokajiny ny Praiminisitra Liu Chao-shiuan [6](劉兆玄)  Nalemy lohalika tanteraka ny governemantantsika ary ny antony dia tsy isalasalana fa ny tahotra hoe sao simba ilay “fifandraisana sarobidy” eo amin'ny Taiwan sy Shina taorian'ilay fianianana nataon'ny Filoha  Ma Ying-jeou 馬英九 [7] tamin'ny volana May lasa iny…ary dia tena tsy hain-dry zareo akory na ny hiaro ny mpiray tanindrazana aza/p class=”translation”>

I Sinhong [3][amin'ny teny sinoa] koa dia namoitra fa mety ho nosarontsaronan'ny governemanta noho ny fisian'ny Lalao Olaimpika tamin'ny volana Aogositra ity olana ity.

中國隱瞞毒奶粉事件與北京奧運脫不了關係,京奧在八月八日到二十四日舉辦,之前,中國政府就下令全面掩蓋有損國家形象事件,毒奶粉驗出含毒正在奧運舉辦前夕,顯示中國當局為了面子,草菅人命,還禍延他國,專制顢頇,罔顧人命,令人髮指!

Tsy azo saràhana amin'ny Lalao Olaimpika natao tany Beijing tamin'ny volana Aogositra ity fanarontsaronana ny resaka vovo-dronono voapoizina ity. Ny Lalao Olaimpika izay natao ny 8 hatramin'ny 24 Aogositra. Talohan'ny Lalao Olaimpika dia nanome baiko ny governemanta sinoa mba hanakànana izay fanadihadiana rehetra mety hanaratsy endrika an'i Shina. Talohan'ny Lalao Olaimpika indrindra anefa no nahatsikaritra ny fanapoizinana ry zareo tao amin'ny vondron'orinasa Sanlu, ary dia tsinjontsika avy amin'izany fa naleon'ny governemanta sinoa namela ny mpiray tanindrazana aminy ho faty mba hahafahany mitazona ny sary tsaran'i Shina. Nefa ity ezaka hanarontsarona ity dia tsy hoe mahakasika fotsiny ny ain'ireo Sinoa , fa koa loza mitatao ho an'ireo olona any amin'ny firenena hafa, tsy azo ekena velively mihitsy ny fisainana mihevitra ho masi-mandidy amin'ny ain'ny hafa toy izany!

Nanamafy ny vondron'orinasa Sanlu fa ireo melamine hita tany anatin'ny vovo-drononon'izy ireo dia ireo mpamokatra sy ireo mpaninjara no nanampoka azy ireny mba hanaraka ny fenitra momba ny azota, rehefa avy notampohany rano ny ronono mba handevonana azy. Tsy maharesy lahatra ny maro anefa io fanambaràny io.

I Eric [4][amin'ny teny sinoa] dia maka tsoa-kevitra avy amin'ny fomba nentina namokatra ny vovo-dronono.

添加三聚氰胺以提高含氮量的原理,必須具有一定專業知識,因此所謂獨由酪農下手的可信度實在不高。

Izay nampiditra ny melamine mba hampiakàrana ny tàhan'ny azota ao anaty vovo-dronono dia tokony ho olona matihanina satria ilàna fahalalàna ara-tsimika izany, noho izany tsy inoako fa hoe ny mpamokatra no nampiditra melamine tany anaty ronono

I Williamlong [8][amin'ny teny sinoa] koa dia naka tsoa-kevitra avy amin'ny toetoetra ara-tsimikan'ny melamine.

三聚氰胺是不溶于水的白色粉末,怎么可能掺入牛奶中呢?即使掺入也无法溶解,产生沉淀。因此三聚氰胺应该是后期直接掺入奶粉之中的。

Tsy tena levon'ny rano tanteraka ny melamine, koa amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ny mpamokatra hanampy melamine amin'ny ronono? Raha izy ireo no nanao izany, tsy maintsy hisaraka amin'ny ronono ny melamine. Noho izany, ny maharesy lahatra ahy dia ny hoe nampiana melamine avy hatrany tany amin'ny orinasa ihany ny vovo-dronono nandritra ny fikarakaràna natao taminy.

Lianyue [9], [amin'ny teny sinoa] izay teratany sinoa, dia niantso ny governemantany hanao ity raharaha ity ho zava-dehibe, hijery ny tena fototry ny olana, ary hamàha izany.

若不彻查所有涉及人员…中国乳制品业一同崩溃。三鹿这样的企业都下毒,人们有理由相信,其他企业也有嫌疑。三鹿为了自保,可能放风它的做法是行业“公开的秘密”,拉着整个行业一同陷入信任危机。…中国的食品业接着垮台。连自己的孩子都可以毒,那么,还有什么底线?毒毒宠物,毒毒青少年、成年人,不更是毫无顾忌吗?中国制造由于连连涉毒,在国际上已经恶名远扬,三鹿这次安然过关,就等于让三鹿为大家敲下最后一根棺材钉。

Raha tsy hanadihady ireo rehetra voakasik'ity ny governemanta sinoa…ny sehatry ny fandraharahàna momba ny ronono sinoa no hirodana. Isan'ireo sangany amin'ny vokatra azo avy amin'ny ronono ny vondron'orinasa Sanlu, raha nanampy singa manapoizina amin'ny vokatra arosony ry zareo, dia hataon'ny olon-drehetra anaty sobika iray ho toy ny manao izany daholo ny mpamokatra hafa rehetra eto Shina. Raha te hiaro tena ny vondron'orinasa Sanlu amin'ny filazàna fa tsiambaratelon'ity orinasa ity ny fanampiana melamine, hiara-rendrika aminy amin'ity olana ity daholo ny ankabeazan'ny orinasa sinoa mpanodina ronono…Rendrika miaraka amin'ireo koa ny orinasa sinoa mpanodina vokatra fihinana. Raha tsy matahotra ny hanapoizina zaza ny orinasa sy ny governemanta sinoa, hatraiza no fetran'izy ireo eo amin'ny seahtry ny orinasa mpanapoizina? Ireo biby fitaiza an-trano, ireo ankizy tanora, ny olon-dehibe … Ny «Made in China» dia efa tena malaza amin'ny fisian'ny akora manapoizina any anatiny. Raha ho tafavoaka amin'izao ity vondron'orinasa Sanlu ity, dia efa samia isika mivonona ny amin'izay fantsika mbola homaniny halentiny amin'ny vatam-patin'I Shina.

Nisy koa ny resaka nandeha fa notambazan'ny vondron'orinasa Sanlu ny Baidu [10][milina sinoa mpikaroka] mba hanivana ireo hevitra mivoy fanakianana ny orinasa, rehefa manao fikarohana amin'ny alalan'i Baidu. T4822k11b [11]no manoratra [amin'ny teny sinoa] hoe :

三鹿的危机公关解决方案被内部员工曝光,其中内容显示三鹿如给百度支付300万公关保护费,百度就通过搜索技术屏蔽三鹿负面新闻。…百度的这位公关经理还解释说:“在百度上搜一下,之前的负面新闻都在,这就是最好的证据。”…通过搜索发现,百度上所有的三鹿负面新闻,都是在9月12日后开始出现的。用网上广为流传的热帖标题“三鹿,在小朋友的生命健康面前请不要表演”作为关键词搜索,9 月12日下午,google显示11400篇,而百度在9仅能显示11条;9月13日上午,google显示11800篇,百度却一下子上升到54条。

Ny mpiasa tao aminy ihany no namboraka ny tetika nomanina hanarontsaronana sy hitantànana ity olan'ny vondron'orinasa Sanlu ity.  Ny tetika dia ny hanomezana telo tapitrisa an'I Bandu ka hangataka ny hanivànan'ito farany ny vaovao… Ny tale misahana ny serasera ao amin'ny Baidu dia nilàza fa : “Raha ohatra ianao manao fikarohana ao amin'ny Baidu, azonao atao ny hahazo ireo tahirim-baovaon'ny lasa, ka manakiana na tsia ny vondron'orinasa Sanlu. Izay no porofo tsara indrindra”… Kanefa, taorian'ny fanamarinana, tsikaritray fa taorian'ny 12 septambra vao nanomboka nivoaka ireo vaovao manakiana ny vondrona Sanlu. Raha mitendry ny hoe “Sanlu” ianareo, aza mody fanina rehefa mahakasika ny fahasalaman'ny taranatsika ” (三鹿,在小朋友的生命健康面前请不要表演 ) ary alefanareo ny fitadiavana, ny tolakandron'ny 12/9 , I Google dia nanome tarehimarika 11 400 ho valin'ny karoka, raha 11 monja no nomen'ny Baidu. Ny marainan'ny 13/9, i Google nanome tarehimarika 11800 ho valin'ny fitadiavana, raha 54 ny an'ny Baidu, avy eo dia niakatra be tampoka izany.