- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Ho taranja ianarana ny Zon'olombelona

Sokajy: Arabia Saodita, Fanabeazana, Lalàna, Zon'olombelona

Crossroads Arabia no milaza ny heviny amin'ny mety hampidiran'i Arabia saodita ny zon'olombelona ho taranja ianaran'ny mpianatra lalàna: “Tahaka ny hampianarana izay heverina ho ‘Zon'ny Silamo manerana ny tontolo’, dia zava-dehibe ihany koa ny hampianarana ny ‘Zon'olombelona maneratany’ araka ny ametrahan'ny Firenena Mikambana azy. Zava-dehibe tokoa ny fanondroana mazava ny fahasamihafan'izy ireo hampisongadina ny  fiaraha-monina Saodita miohatra amin'ny fiaraha-monina hafa amin'ny ankapobeny [1].”