- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: lalana fa tsy adiresy

Sokajy: Arabia Saodita, Hevitra

Stranger in this Dunya (vahiny eto amin'ity Dunya ity) no mitaraina fa toa tsy misy mampiasa adiresy ny eto Arabia Saodita: “Ny fanoroan-dalana no toa mora kokoa: ‘Eto amin'ny lalana Takhasussi isika izao, ilay tena manaraka ny Bankin'i Riyadh indrindra ary andamosin'ny fivarotana xyz. Ilay trano lehibe misy voaloboka amin'ny sisiny io [1].’ “