Raha nanambara ireo toerana 11 vaovao hametrahana ny mpiasa vahiny ny goverinemanta tamin'ny herinandro teo dia tsy faly ny mponina avy amin'ny saranga antonony amin'ny manodidina ny zaridainan'i Serangoon. Niara-nientana tamin'ny fanangona-tsonia haterina any amin'ny solombavambahoakany ao an-toerana George Yeo sy Lim Hwee Hua ry zareo — nilaza moa ny solontenan'izy ireo fa vonona amin'ny adihevitra ry zareo. Miady hevitra ihany koa ny mpamaham-bolongana.
Namintina ny resaka nifanaovana [1] tamin'iny mponin'i Seragoon ny Minisitry ny raharaham-bahiny ao amin'ny A Writer's Blog:
It was lucky that the dialogue session was already scheduled. Many residents spoke up, some with great passion. As expected, the principal concern was security. The already difficult traffic flow would also be aggravated. It was good that everyone acknowledged the contributions of foreign workers to our economy.
Saingy feon-dakolosy hafa kosa no nanehoan'i Gerald Giam ao amin'ny Singapore Patriot ilay fihaonana. Nosoratany anaty lisitra avokoa ny tsikera tena henjana nataon'ny mponina.
They don't want “half-naked men” hanging around their neighbourhood;
The neighbourhood will become unsafe for old people;
Parents will worry about leaving their young children and aged parents at home when they go to work;
Traffic congestion by lorries ferrying workers;
The estimated 1,400 properties worth over $1 million each would see a drop in asset value.
Lasa hampidi-doza ho an'ny beantitra ny faritra.
Tsy ho sahy handao ny ankizy sy ny zokiolona irery ao an-trano ny ray aman-dreny rehefa handeha hiasa.
HItohana noho ny fiarabe mitondra mpiasa ny fifamoivoizana.
Ho latsa-danja noho ny sandany izay mihoatra ny 1 000 000 dôlara tsirairay ny vidin'ny trano sy ny tany eo ho eo amin'ny 1 400 isa eo.
Notohizan'i Giam ny resaka:
Many of us fear that foreign workers will be a source of social problems. Let's put it this way: If you were earning $500 a month with an extended family of 12 back home depending on you, would you risk your livelihood by committing some silly crime and getting jailed, caned and deported? Foreign workers litter and dirty the place? Who are the ones who clear our rubbish, pick up our litter and sweep our roads?
Maro ny mpamaham-bolongana nomanoratra fa any amin'ny sehatra avoavo kokoa eo amin'ny fifandraisan'ny Singapore amin'ny vahiny no tena itoeran'ny olana. Niteraka adihevitra lehibe (ihany koa) ny lahatsary iray mampiseho ny manodidina ny zaridainan'i Serangoon [2] sy ny sekoly iray tsy misy mampiasa intsony havadika (ho toeram-pandraisana ny vahiny). Esoesoin'ny mpamaham-bolongan-dresaka henoina ao amin'ny mrbrownshow ihany koa ny tahotra “alien” Bengala ao amin'ny mponina.
Ng E-Jay ao amin'ny Sgpolitics.net kosa indray miteny fa tsy resaka fitsarana ivelany mialoha [3] izy ity. Tsikerainy ny goverinemanta ho tsy niomana mialoha tamin'ny fandraisana ireo mpiasa ahiny nantsoina hiasa any amin-dry zareo:
If the Government wants to import a large number of foreign workers to build our casinos and all the mega projects that are supposed to spur our economy on, ample preparations first have to be made to house them properly. That means providing living quarters for foreign workers in locations that would inconvenience local residents the least.
Voalaza ao amin'ny gazety the Straits Times (amin'ny alalan'ny AsiaOne) moa fa miantso ny hamoram-pon'ny mponina voatery hitoetra akaikin'ny mpikarama avy any India, Thailandy ary Bangladesh ny fitondrana. Saingy nolazain'i George Yeo fa efa mieritreritra ny hanangana tanàna mitokana hitelina ny fiavian'ireo mpikarama be dia be ankehitriny ny goverinemanta.
Toherin'i Flying Low — mpamaham-bolongana tsy mitonona anarana, fa milaza ho mpiasam-panjakana – ity hevitra ity [4] :
Isn’t there some HDB [Housing Development Board] race quota implemented so that there will be no racial enclaves in Singapore? But it is ok to build a foreign worker enclave. Yes, isolate these foreign workers from Singaporeans. This is the obviously best way to encourage “Singaporeans [to] open their hearts to them“.