10 Septambra 2008

Tantara tamin'ny 10 Septambra 2008

Arabia Saodita: Ho taranja ianarana ny Zon'olombelona

  10 Septambra 2008

Crossroads Arabia no milaza ny heviny amin'ny mety hampidiran'i Arabia saodita ny zon'olombelona ho taranja ianaran'ny mpianatra lalàna: “Tahaka ny hampianarana izay heverina ho ‘Zon'ny Silamo manerana ny tontolo’, dia zava-dehibe ihany koa ny hampianarana ny ‘Zon'olombelona maneratany’ araka ny ametrahan'ny Firenena Mikambana azy. Zava-dehibe tokoa ny fanondroana mazava ny...

Arabia Saodita: lalana fa tsy adiresy

  10 Septambra 2008

Stranger in this Dunya (vahiny eto amin'ity Dunya ity) no mitaraina fa toa tsy misy mampiasa adiresy ny eto Arabia Saodita: “Ny fanoroan-dalana no toa mora kokoa: ‘Eto amin'ny lalana Takhasussi isika izao, ilay tena manaraka ny Bankin'i Riyadh indrindra ary andamosin'ny fivarotana xyz. Ilay trano lehibe misy voaloboka amin'ny...

Singapaoro: ireo vahiny mpifanolobodirindrina amintsika

  10 Septambra 2008

Raha nanambara ireo toerana 11 vaovao hametrahana ny mpiasa vahiny ny goverinemanta tamin'ny herinandro teo dia tsy faly ny mponina avy amin'ny saranga antonony amin'ny manodidina ny zaridainan'i Serangoon. Niara-nientana tamin'ny fanangona-tsonia haterina any amin'ny solombavambahoakany ao an-toerana George Yeo sy Lim Hwee  Hua ry zareo — nilaza moa ny...

Kenya: Nosamborina ny mpikambana ao amin'ny Bunge La Wananchi

  10 Septambra 2008

Sukuma Kenya no manoratra momba ny fisamborana ireo mpikatroka politika any Kenya: ‘Mihaika tanteraka indray ny fahafahantsika mivory ny pôlisy nisambotra mpikambana ao amin'ny Bunge La Wananchi mba hampihorohoroana azy ireny. Tohin'ny famelezana ny fiaraha-monim-pirenena izao.”

Arimenia: fifandraisana amin'i Torikia, ahoana indray ny manaraka?

  10 Septambra 2008

Taorian'ny fitsidihana manantantara nataon'ny filoha Tiorika Abdullah Gul tany Yerevan tamin'ny faran'ny herinandro teo hanatrika ny lalao fifanintsanana ho amin'ny amboara erantany nifanaovan'i Arimenia sy  Torikiateo akaikin'ny filoha tompontany ; Serge Sargsyan, Security in the Caucasus no manadihady ny dingana manaraka eo amin'ireto firenena roa mifanakaiky nefa mifampihafahafa ireto.

Jamaïka, Guyana : Makotroka ny fodian'i Bolt any an-tanindrazana

  10 Septambra 2008

The rain didn't stop Usain Bolt's return ‘back a yawd’. People lined the road from Norman Manley Airport all the way to the Jamaica Pegasus Hotel in New Kingston “Tsy nahasakana ny fodian'i Bolt aty amin'ny tanàna ny filatsahan'ny orana. Vory lanona ny olona eran'ireo arabe izay manasaraka ny seranam-piaramanidina Norman...

Maraoka: Mpitoraka blaogy nosamborina, avy hatrany dia voasazy

  10 Septambra 2008

Androany maraina (Alatsinainy 8 septambra 2008), navoakan'ny tranonkala mpampahalàla vaovao Hespress [amin'ny teny Arabo] fa nosamborina tany an-trano fonenany tao Agadir ilay mpitoraka blaogy Mohammed Erraji.Lahatsoratra iray momba ny Hespress nosoratan'i Mohammed Erraji [amin'ny teny Arabo]no toa niaingan'ny fisamborana, nefa samy tsy nisy nanamarina, na ilay fisamborana, na ny fifandraisana...