- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Oman:Ramadany hafa kely

Sokajy: Oman, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Tsidika, Vehivavy sy Miralenta

Hisaina angamba ianao hoe ny tontolon’ny fitorahana bolongana avy aty Oman tao ho ato dia nifantoka betsaka tamin’ny resa-pivavahana sy ny iray volana masin’ny Ramadany, nefa somary mahazendana ihany fa betsaka amin’ireo hafatra no tsy misy ifandraisany velively amin’ny Ramadany.

I Muscat Confidential [1] mpitoraka blaogy mpandranitra [amin’ny teny anglisy] dia nandefa hafatra vao tsy ela akory mikasika ny fomba hiraisana ara-nofo ao Musca [2]t [how to have sex in Muscat]. Toa mitàna ny loha-laharana raha ny valin’ny fitadiavana amin’ny alalàn’ny teny momba ny ‘firaisana ara-nofo’ ny blaoginy, ary vakiako toy izao :

Fantatrareo tsara, betsaka ny fitsidihan’ireo lehilahy (eritreritro io) avy eto Oman ao amin’ny blaogiko mba hitady tovovavy avy any Filipina, tovovavin’i Muscat, ahoana no ahazoana tovovavy any Muscat, firaisana ara-nofo any Muscat, amin’ireo tovovavy avy any Oman, mpivaro-tena any Muscat, ireo homosexuels (mitovy nefa mifanambady) any Muscat, sns… Mazava be fa ny resaka firaisana ara-nofo, toy ny any amin’ireo tany hafa eran’izao tontolo izao, dia ao an-tsain’ny betsaka amin’ireo mponina ao Muscat. Tsy azo lavina!

Vadina mpiasa avy any ivelany i Angry in Oman [3] ary tsy tia na ny mpiara-miasa aminy na ny olona eny an-dalàm-be, ary angamba aza dia ny monina eto Oman mihitsy. Ny olona sasany dia miteny aminy fa vanim-potoana mandalo ihany izao, fa ho tiany ihany io avy eo, fa mandra-pahatongan’izay dia mitohy aloha ny hirifiry. Inty ny andalan-dahatsoratra voalohany nosoratany momba ireo sorisorim-piainana niainany faramparany teo [4] [amin’ny teny anglisy]:

Isak’izay mba misaina aho fa tsy dia hitohy ho ratsy foana akory ny zavatra rehetra, dia miharatsy hatrany izany.
Tratry ny areti-nify mafy aho izao ary manaintaina ahy mafy ny ilan-tavako havanana, nefa omaly alina dia nandalo tatay amin’ny birao ny mpamilin’ny vadin’ny lehibeko ary lasa niaraka amin’ny fanalahidy rehetran’ny fiara

Omaly, nilaza tamin’ny tompon’andraikitra fahatelo ato amin’ny toeram-piasana aho fa MILA mandalo any amin’ny banky androany mba haka vola amin’ny seky ka mety ho tara kely vao miditra birao. Tsy dia nanisy olana tamin’izany izy rehefa tonga aho ka nilaza taminy fa naka fotana tamin’ny mpitsabo nify ho amin’ny Alakamisy.

I Leo Americanus [5] dia mihevitra [amin’ny teny anglisy] fa misy tsy dia mandeha ilàlana loatra ny fomba fihevitra ny vehivavy ao amin’ny kolontsaina arabo. Nanaitra azy ireo fanambaràn’ny fianakavian’i Suzanne Tamim, ilay vehivavy mpihira avy any Libanona nisy naomo vao tsy ela akory izay [6] :

Raha maneranan ny tany, be ireo mpanefoefo no tsy mitsahatra manararaotra ireo vehivavy mpihira, tsy haiko ny tsy hilaza fa ireo lehilahy manana ny fahefana eto Moyen Orient dia maneho tsy firaharahana ihany koa. Ny tantara “The Yacoubian Building” (Ny trano Yacoubian) nosoratan’ilay mpanoratra Alaa al-Aswani dia maneho sary mampivandravandra tsara ity karazana lehilahy ity any Ezypta. Ny tena loza dia misy toe-tsaina manome vahana ny fitohizan’ity zavatra tahaka izany tsy hitsahatra.

I Suburban [7], vehivavy fanta-daza amin’ny fitorahana blaogy [amin’ny teny anglisy] dia mibanjina ny toetoetry ny supermarché Lulu [8] [amin’ny teny anglisy] (nantsoiny mihitsy hoe ‘Zoo-Lu’) nadnritry ny Ramadany. Nankasitrahany amin’ny ankapobeny ilay izy noho ny hamoram-bidy, fa nisy ihany ny zavatra hafa nanadala ny sainy. Toy ity iray ity:

Kalesy maromaro (irony fitondran’ny mpividy entana irony) mikivilavila. Lazaiko marina aminao fa tsy nahita mihitsy aho na dia kalesy iray aza mba nandeha mahitsy tsara. Somary fonentana aho, ka rehefa feno ilay zavatra dia toy irony mahery fo mpilalao sarimihetsika mampihomehy mitafy jeans irony aho: ny tongotra mikorisa amin’ny lino, ny vatana mihilana 45 degire, sady mezaka hatrany mitady làlana eny antsefantsefan’ireo talantalana fivarotana vokatra azo avy amin’ny ronono.