- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Aza tsaraina amin'ny mahareny azy i Palin

Sokajy: Amerika Avaratra, Arabia Saodita, Etazonia, Fifidianana, Politika, Vehivavy sy Miralenta

Mpamaham-bolongana mipetraka any Arabia Saodita Nzingha, manan-janaka dimy, no mahatsapa fa diso ny masontsivana itsarana an'i Sarah Palin: “Tsy tokony hisy ny tsy hanohana azy noho ny mahareny azy fotsiny tahaka ny tsy tokony hanohanana an'i Palin satria vehivavy izy. Tsy miankina amin'ny nonony tsy akory ny fahafahany manatontosa ny asa, fa miankina amin'ny safidy politikany, ny traikefany, ary ny vina hataony ho an'ny fireneny rehefa voafidy izy [1].”