06 Septambra 2008

Tantara tamin'ny 06 Septambra 2008

Iràka: 150 isan'andro ny fiezahana hipiraty ny bolongany

  06 Septambra 2008

“Nihoatra ny 50 ny fikasana hipiraty azy tao anatin'ny 30 mn, nihoatra ny 50 ny fikasana hipiraty ity bolongana ity. Izany no nitranga tao anatin'ny 4 andro izay raha nanodidina ny 3 isan'andro teo ho eo. Izany hoe mahatratra 150 ny fiezahana hipiraty azy isan'andro. Hmmmm….Te-hahafantatra izay antony aho,” hoy ny fanontaniana'ilay mpamaham-bolongana Irakiana...

Angola: Fifidianana an-tsary maro

  06 Septambra 2008

Sambany tao anatin'ny 16 taona no nifidy indray ny Angoley - mbola mitohy moa izany fifidianana izany androany Sabotsy amin'ny biraom-pifidianana 320 eto an-drenivohitra Luanda. Hatramin'izao dia tsy heno loatra hoe nisy korontana ny fifidianana, manjaka any anivon'ny vahoaka ny filaminana araka ny hitan'ilay mpaka sary José Manuel Lima da Silva. Tena misy sary kosa aloha ato e!