- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fa aiza mihitsy ary no mipetraka ny mpandika tenin’ ny Global Voices?

Sokajy: Fiteny

lingua Ny mpandika tenin'ny Global Voices Lingua [1] izao dia mamoaka ity tranonkala ity amin'ny teny dimy ambiny folo isankarazany (18 raha isaina koa ny tranonkala vaovao Swahili, Rosiana ary Serbiana) mamela ny olona eran-tany tsy miteny anglisy mba handray anjara koa ao amin'ny fifanakalozana hevitra.

Nandray mpandika teny manome miasa maimaim-poana fitopolo avy amin'ny tany miisa fara faharatsiny 21 ny mpifandray eto amin'ny Global Voices [2] tao anatin'ny herintaona sy tapany lasa teo.

Tsy mora ny manaraka ny mpanoratra [3] mihoatry ny 150, ny mpitsara teny [4], ary koa ny mpandika teny izay manome ezaka lehibe an'i Global Voices.

Tsy misy birao azo raisina tanana mantsy, tsy misy foibe jeografika, ary tsindraindray ihany vao mifankahita tava [5]. Afaka vakianao antsipirihany ny fomba fiasan'ny Global Voices ao amin'ny pejy natokana Momba [6] an'i Global Voices.

Claire Ulrich [7] izay mitantana ny Global Voices amin'ny teny frantsay [8] dia nametraka ny toerana misy ny mpandika teny rehetra eto amin'ity sarin-tany Google [9] ity.

Miangavy anao hanaparitaka ny momba ny fandikana teny Lingua [1]amin'ny fametrahana rohy ho any aminy eo amin'ny toraka blaoginao.
Ny Global Voices amin'ny teny Malagasy dia misy mpandika teny 4 mavitrika [10] izay hitanao eo amin'ny sarin-tany. [Raha toa ianao ka te hanampy [11]]


Agrandir le plan [12]