Palestina : Hafaliana noho ny namotsorana ireo voafonja

Hafaliana no nitsenan'ny palestiniana ny famotsorana ireo voafonja 199 tany Israely. Tamin'ny Alatsinainy no nambara ny famotsorana azy ireo, ary mety nokendrena hifanindry amin'ny fahatongavan‘i Condoleezza Rice any Israely.

Efa imbetsaka moa no nahemotry ny mpanatanteraka Israeliana ity famotsorana ireo voafonja ity ary nanao fifidianana telo izy ireo mikasika ity raharaha ity. Isan'ireo navotsotra moa i Said al-Attaba, Palestiniana naharitra indrindra tamin'ny fanompoana an'i Israely, izay voafonja nanomboka tamin'ny 1977. Tao koa i Mohammed Ibrahim Abu Ali, voafonja nanomboka tamin'ny 1979.

Nanatrika ny lanonana nadraisana azy ireo i body on the line, ary nanao ny fampitahana tamin'ny fandraisana an'i Samir Kuntar tamin'ny volana Jolay lasa teo. Hoy indrindra izy :

We waited in the sweltering heat for a few hours (Huwara, by the way, is at most a 10 minute drive from downtown Nablus). It reminded me of going to Samir Quntar’s welcome home festivities this summer, although Hezbollah had chairs for us and fabulous live band (though here we were not getting hit on the head by people waving their flags). But here I could get much closer to the stage, it was not sex segregated, and the crowd was much smaller (I don’t even think the entire crowd in Dahiyaa that day would be able to fit in downtown Nablus). A friend of mine later joined us and I kept hearing people complain about the heat. True, it was unbelievably hot; but I kept thinking about all the torture and living hell these men had endured–one for 32 years–and I thought the least we can do is stand here and give them a hero’s welcome.

Niandry teo amin'ny hafanana be izahay nandritra ny ora maromaro (Marihina fa 10 minitra raha be indrindra miala avy ao Nablus no misy an'i Huwara). Nampahatsiaro ahy ny fandehanana tamin'ny fandraisana an'i Sami Quntar tamin'ny lohataona teo, na dia nanana seza sy mpihira ho anay aza i Hezbollah (na dia tsy voakapokapoky ny olona manofahofa ny saina aza ny lohanay). Afaka nanatona tsara ny sehatra koa aho, tsy nosarahina ny toeran'ny lehilahy sy ny vehivavy ary vitsy lavitra ny olona manatrika (mety tsy antonona an'i Nablus akory ny olona tonga tamin'iny). Nisy namako tonga avy eo, ary henoko mitaraina foana ny olona mikasika ny hafanana. Tena nafana be tokoa aloha, fa rehefa mieritreritra ny fijaliana niaretan'ireo vao nahazo fahafahana aho, ny iray nandritra ny 32 taona, dia heveriko fa ny mitsangana eto mba ho fanomezam-boninahitra azy ireo no mba azontsika atao.

Nahatsiaro ireo voafonja tsy navotsotra koa izy :

Of course the most famous political prisoners were not released today from their torture chambers: Marwan Barghouti and Ahmad Sa’adat. There was a huge poster in downtown Nablus (see below) about Sa’adat. And of course of the rest of the 10,000+ prisoners in Israeli jails must be remembered. But it also must be remembered that EVERY NIGHT Israeli Terrorist Forces (ITF) kidnap and imprison Palestinian political prisoners. My friend Mustafa, who lives in the old city of Nablus, tells me every day about stories of the ITF coming in with bombs and guns and terrorizing families. In a way, the old city of Nablus is kind of like a refugee camp in that way. It is one of the many sites that gets invaded nightly. Yesterday 9 Palestinians were kidnapped from various West Bank Cities, for instance.

Mazava ho azy fa tsy nafahana tao amin'ny toeram-pampijaliana azy ireo gadra politika tena malaza androany : Narwan Barghouti sy Ahmad Sa'adat. Nisy takela-tsary lehibe mikasika an'i Sa'adat tao Nablus (Jereo eo ambany). Ary tsy azo hadinoina koa ireo voafonja hafa mahery ny 10000 any amin'ny fonjan'i Israely. Tsy maitsy tadidiana koa fa ISAN-KALINA ireo mpampihorohoro Israeliana ITF (Israeli Terrorist Forces) dia maka an-kery ary managadra mpanao politika Palestiniana. Tantarain'ilay namako Mustafa izay mipetraka ao amin'ny tananan'i Nablus fahiny ahy isan'andro ny ITF tonga any an-tanana mitondra “bomba” sy basy ary mampihorohoro fianankaviana maro. Amin'ny lafiny iray dia toy ny tananan'ny mpifindra monina ny tananan'i Nablus fahiny. Isan'ireo tanana maro misy manafika amin'ny alina izy. Tamin'ny alina ohatra dia 9 ny Palestiniana nisy naka an-keriny tao amin'ny West Bank.

Nampiany sary nalainy ihany moa ity tantara ity, ary io ambany io ny iray amin'izany :

Sa\'adat

Misy fanazavana fanampiny avy amin'ny blaogisfera Paalestiniana ao amin'ny Palestine Blogs.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.