- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta : Nirehitra ny tranon'ny antenimiera

Sokajy: Ejipta, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Tantara, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina

Hatairana ny an'ireo mpitoraka blaogy avy ao Ejypta noho ny firehetan [1]‘ny tranon'ny antenimiera any an-toerana androany maraina. Na dia mbola eo ampiandrasana ny filazana izay antony nampirehitra ity tranobe nahorina tamin'ny taon-jato faha-19 ity aza ireo mpitoraka blaogy dia maresaka aoka izany … ary manao ny fanamarihan'izy ireo.

Nitantara amin'ny antsipirihany ny fivoaran'ny famonoana ny afo ny Horytna [2] [Ar], miaraka amin'ny tatitra nataon'ireo vavolombelona nanatri-maso. Namoaka tahirin-tsary mirakitra ny firehetan'ny trano ao amin'ny Ikhwan Online [3] kosa ny Firahalahiana Silao [Muslim Brotherhood].

Antso fanairana ny Filoham-pirenena Ejyptiana Hosni Mubarak mba hametra-pialana no namaritan'i Bakri Hassan [4] iny afo iny. Hoy indrindra izy :

رمز مصر يحترق
الان يحترق رمز مصر
تابعوا احدث فضائح مصر المدوية
الدولة المصرية عاجزة حتي الان عن السيطرة علي حرق رمزها
وصلنا الي النهاية سيادة الرئيس
سيدي الرئيس استقيل قبل ان تحرق البلد كلها وليس رمزها فقط
تابع علي الفضائيات والمواقع حريق مصر

Mirehitra ny famantarana an'i Ejypta

Levonin'ny afo amin'izao fotoana izao ny famantarana an'i Ejypta

Araho ny vaovao mikasika ny faharavana eto Ejypta

Tsy mahafehy ny afo mandoro ny vakoka eo amin'ny fireneny akory ny fanjakana Ejyptiana

Tapi-dala-kaleha ianao Andriamatoa Filoha

Mametraha fialana sao ny firenena iray manontolo no hodoranao fa tsy ny famantarana azy fotsiny

Araho amin'ny aterineto ny vaovao mikasika ny afo eto Ejypta.

Mihevitra i Amr Ezzat [5] fa nosakanan'ny fanjakana tsy hamoaka ny vaovao ny gazety Al Baleed noho ny firesahany iny afo iny. Hita tamin'ny lohateny lehibe mantsy ny hoe misy atontan-taratasy very noho tamin'ny nirehetan'ny trano.

I Tahyyes [6] kosa indray no milaza fa tsy ampy mihitsy ny ezaka natao mba hamonoana ny afo.

رياح ايه اللي بيتكلموا عليها؟
هي فين الرياح دي؟ طب انا عايزة حد يحلف لي على المصحف ويقول انشالله يعمى بعنيه لو حس باي رياح
انا شايفة بعيني اتنين بيطفوا الحريق في التلفزيون
اتنين…..اتنين يا بشر
ده لو الناس اللي ملمومة تفت على مجلس الشورى اللي بيتهد دلوقت كانت طفت

Inona no rivotra resahin'izy ireo izany ?

Aiza izany rivotra izany ? Misy olona hiniana amin'ny Koran ve, ary hiteny fa mivavaka aho mba ho jamba izy raha milaza fa maheno izany rivotra izany.

Manaraka ny fahitalavitra aho amin'izao, ary olona ora fotsiny no miezaka mamono ny afo.

Roa … roa fotsiny

Raha mba netin'ireo daholo ny ady asehony ao amin'ny Shura, izay efa hirodana amin'izao, dia mety ho nahafaty ny afo izy ireo.

Nifampita vaovao tamin'ny alalan'ny twitter koa ny Ejyptiana nandritra ny nirehetan'ny afo. Izao no nolazain'i Wael Khalil [7] mikasika ny nahatonga ny afo :

الغلطة غلطة المبني-قديم وكله خشب

Hadisoan'ilay trano iny – efa antitra izy ary vita tamin'ny hazo.

Mitaraina kosa i Malek [8] amin'ny fofona nateraky ny afo :

ولاول مره اشم ريحة الحريق من ساعة المجلسين ماولعوا,الريحة سيئة فعل

Izay indray vao nisy fofona afo takaha izao hatramin'ny nirehetan'ny [two chambers] – sady maimbo mihitsy ilay izy.