Tantara tamin'ny 21 Aogositra 2008
Orogoay : Fihaonan'ny Ceibal faharoa mikasika ny solosaina xo
Nambaran'i Pablo Flores fa ho avy ny andiany faharoa amin'ny fihaonan'ny Ceibal ao Montevideo, any Orogoay [es]. Fihanonana, tsy ofisialy, ataon'ireo mpahay informatika moa izy ity mba hamoronana rindrankajy “open-source” ho amin'ny solosaina XO.
Ejypta : Taorian'ny afo tao amin'ny antenimiera
Mampihomehy sady mahavery hevitra ny fahitan'ny mponina ny nandevonan'ny afo ny trano tao amin'ny antenimiera androany. Tsy mampino, fa tena misy mihitsy nefa ireo faly noho ny nandevonan'ny afo ilay trano. Resahin'i Zeinobia ato ny fihetse-pon'ny mponina : They are happy seriously happy in a way you can’t imagine ,...
Keny : Mila ny fanampian'ny ICT board ve ireo mpikirakira rindrankajy ?
“Mila ny fanampian'ny ICT board ve ireo mpikirakira rindrankajy eto an-toerana ? ” hoy i Al Kags raha miresaka ny famokarana rindrankajy ao Kenya.
Ejypta : Nirehitra ny tranon'ny antenimiera
Hatairana ny an'ireo mpitoraka blaogy avy ao Ejypta noho ny firehetan‘ny tranon'ny antenimiera any an-toerana androany maraina. Na dia mbola eo ampiandrasana ny filazana izay antony nampirehitra ity tranobe nahorina tamin'ny taon-jato faha-19 ity aza ireo mpitoraka blaogy dia maresaka aoka izany … ary manao ny fanamarihan'izy ireo. Nitantara amin'ny...