Guyana : Hopitaly nirehitra

Levon'ny afo omaly maraina ny sampana mikarakara ny fahasalamana ara-tsaina ao amin'ny Hopitalin'i Georgetown. Notantarain'ireo mpitoraka blaogy ao amin'ny Living Guyana amin'ny antsipirihany ity hay trano ity …

Ny lahatsoratra voalohany dia nanamafy fa tena saron'ny afo ny Observation Ward :

Georgetown's best and ill equipped firefighters were apparently able to contain the blaze before it could spread beyond the aged building. The Observation Ward has been in the news quite recently with the death of a female patient making the headlines.

Voavonjin'ireo mpamonjy tranomay, mahay nefa tsy ampy fitaovana, ao Georgetown ny afo ka tsy afaka niampita tamin'ireo trano efa tranainy. Tsy vao ela akory izay no hita tamin'ny lohanteny lehibe tamin'ny vaovao isan-karazany ity toeram-pitiliana [Observation Ward] ity noho ny nahafatesan'ny vehivavy narary iray.

Fotoana fohy taorian'io dia namoaka sary izy ireo, ary nitatitra ny fanambarana nataon'ny Minisitry ny Fahasalamana ao Guyana sy filazam-vaovao avy ao amin'ny Hopitaly.

Rehefa maty ny afo dia namoaka sarin'ireo hazo feno setroka teo amin'ilay trano indray ny Living Guyana. Tao amin'ny Guyana Providence Stadium kosa dia manontany ny mpanoratra raha misy ambadika politika iny trano may iny :

Buildings mysteriously burn down whenever there are allegations of corruption against the Government. Could this have something to do with the Auditor General's report and the clandestine purchase of drugs for Public Hospital?

Misy trano mirehitra foana isaky ny misy mitondra porofo ny kolikoly ao amin'ny Governemanta. Mety misy hifandraisany amin'ny tatitra nataon'ny Auditor General sy ny fividianana zava-mahadomelina ho an'ny hopitalim-panjakana ve iny hay trano iny ?

Tahaka izany koa, dia nanao fampitahana kivalavala ireo marary ao amin'ny sampana mikarakara ny fahasalaman-tsaina ao amin'io hopitaly io sy ireo “manana olana ara-tsaina ao amin'ny toeram-pitiliana iray antsoina matetika hoe ‘Cabinet'” ny Living Guyana.

It is understood that the current batch of inmates intend to assume control of the other observation ward. Living Guyana does not expect a substantial shift in government policy and from all indications there will be a smooth transition. In fact, word on the street is that they may even do a better job than the current crop of schizophrenics.

Toa ho raisin'ireto marary ao amin'ny hopitaly amin'izao ny fitantanana ilay toby fitiliana iray ary. Tsy manantena fiovana betsaka avy amin'ny governemanta amin'izao ny Living Guyana, ary raha ny zava-misy amin'izao dia toa hizotra milamina ny famindram-pahefana. Raha ny resaka eny amin'ny arabe aza dia mety mahavita bebe kokoa izy ireo noho ireo marary saina amin'izao.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.