Niteraka resa-be ilay horonan-tsary nahitana Kolombiana nanafika fianankaviana iray tany Shily

Voamarina fa mpifindra-monina Kolombiana 10 nanafika fianankaviana avy ao Però avy namonjy fety tao Iquique (any Shily) tamin'ny 3 Aogositra 2008 lasa teo no hita tamin'ny horonan-tsary iray nalaina tamin'ny finday. Araka io horonan-tsary io ihany dia vato sy kibay no nampiasain'izy ireo nidarohana ilay fianankaviana, ary tsy nahatsiaro tena ny maro tamin'ireo notafihina tamin'ny nandaozan'ireto mpanafika. Io horonan-tsary io moa no nampiasain'ny mpahay lalana any an-toerana ka nahafahana nampiato Kolombiana roa voarohirohy, izay navotsotra taoriana kely.

Araka ny nolazain'ireo notafihina, dia noheverin'ireo Kolombiana fa avy ao Shily izy ireo no antony nanafihany azy, ary nilaza ireo mpanafika fa tsy maitsy mahafaty iray izy ireo farafaharatsiny. Nahamenatra Kolombiana maro iny herisetra iny ka niala tsiny noho ny nataon'ireo mpiray tanindrazana aminy izy ireo tao amin'ny fametrahana hevitra. Na izany aza dia hita tao ihany koa ny hevitra mitory fankahalana sy fiantsiana ady.

Nampametra-panontaniana ny mpanoratra ny Ciber America ny namotsorana ireo Kolombiana na dia teo aza ny porofo nomen'ilay horonan-tsary.

La justicia reacciona en forma desconcertante al considerar como riña un episodio que aparece como un ataque a una familia donde todos fueron lesionados.

¿Hubiera sido la misma reacción si las víctimas hubieran sido chilenas?

Mahasorena ihany ny nataon'ny fitsarana manasokajy iny raharaha iny ho fifamaliana fotsiny, nefa efa naratra daholo aza ilay fianankaviana iray manontolo.

Mety ho tahaka izany koa ve no nandraisana azy raha toa ka avy ao Shily ireo olona notafihina ?

Azo jerena ao amin'ny Youtube sy ny Vimeo ilay horonan-tsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.