Etazonia : Mitoraka blaogy mba handraisan'ny Anglikana ireo Pretra sy Eveka LGBT

Katedralin\'i CanterburyTamin'ny tapaky ny volana Jolay no natao tao amin'ilay katedraly manan-tantara ao Canterbury, ao Angletera ny fivoriam-ben'i Lambeth. Isaky ny folo taona moa no tanterahina ity fivoriam-be ity, izay hihaonan'ireo Eveka sy Arseveka manodidina ny 650 mitantana ny mpino Anglikana manodidina ny 80 tapitrisa maneran-tany.

Farafahakely dia fito ny fikambanana LGBT (Lesbian, Gay, Bisexual and Transgender) Anglikana (Amerikana amin'ny ankapobeny) nanatrika io fivoriana io mba hanohana ny fandraisana ireo LGBT ho ao amin'ny Fiangonana Anglikana. Nanohitra mafy izany fihetsika izany ireo Eveka te hitahiry ny lalana efa misy, ary nandrahona fa hovakiany ny fiangonana. Araka ny nolazain'ny Economist dia tsy nety nanatrika ny fihaonana ireo ny Eveka avy ao Nizeria, Oganda, Kenya ary Roanda izay ahitana fiangonana mpanindraindra ny fomba taloha maro.

Isan'ny tena nahagaga indrindra i Gene Robinso, 66 taona, Evekan'i New Hampshire any Amerika, izay manaiky ampahibemaso ny maha-“gay” tsy tokan-tena azy. Tsy navela nanatrika ny fivoriam-be ao Lambeth moa io izy, nefa na izany aza dia nanokatra blaogy mirakitra horonan-tsary mikasika izany. The Gene Pool no anaran'ny blaoginy ary mila ho isan'andro izy no mametraka ny heviny amin'ny horonan-tsary.

Misy horonan-tsary iray mirakitra ny teny fanantenana sy faherezana nataony ho an'ny LGBT Anglikana.

Gene Robinson

Maro ny hevitra hita amin'ireo horonan-tsary asehony no mahaliana na dia eo aza ny tsy fitovian-kevitra.

Hoy i Una tamin'ny hevitra navelany.

Thank you Gene. I am a straight believer in God's love for ALL people, irrespective of race, religion, sex, gender. I too pray that those of us who live in countries where hush-hush is the order of the day can stand with you in open honesty about who we are as Christians in our own cultures. Like you, I continue to hope, though I am not an optimist in regard to the Lambeth outcome.

Misaotra an'i Gene. Izaho dia mino fa tian'Andriamanitra ny olona REHETRA, tsy miankina amin'ny fiaviany, ny finoana, na ny maha-lahy na vavy azy. Mivavaka koa aho mba ho afaka mitsotra tahaka anao izahay mbola voatery miafinafina aty amin'ny firenena misy anay, noho ny mahaKristianina manana ny kolontsainay anay. Tahaka anao dia manantena ihany aho, saingy tsy betsaka ny fanantenako raha mikasika ny vokatry ny fivoriam-be ao Lambeth manokana.

Nanao izay vitany kosa i Rowan Williams, Arsevekan'i Canterbury, mba hitandroana ny firaisan'ny fiangonana. Tsy nanao fanambarana mivantana izy hanohanana ny LGBT na dia fantatra aza fa mivelatra kokoa ny fomba fijeriny. Ny fiezahan'i Rowan William mijoro eo anelanelan'ireo mpanindraindra ny lalana misy sy ireo mitaky fiovana no resahin'i Gene Robinson amin'ny lahatsoratra iray amin'ny blaoginy iray Canterbury Tales from the Fringe :

The morning we left Edinburgh, the headlines in the London Times announced the publication of letters sent by +Rowan Williams several years ago, in response to a conservative evangelical, in which he says that after many years of study and prayer, he has concluded that faithful, life-long-intentioned, monogamous love between two people of the same sex is NOT prohibited by scripture — and that scripture simply does not address this new phenomenon. Precisely what I and others have been saying all along.

(…) he has steadfastly done what he has said he would do: set his own personal understandings aside and take a centrist stance “for the good of the whole Church.” This is not news, folks! But it is indeed sad.

Tamin'ny maraina nialanay tao Edingubrh dia voalaza tao amin'ny London Times fa ho avoaka ny taratasy nosoratan'i +Rowan Williams taona maro lasa izay, fony izy namaly ireo [conservative evangelical]. Ao amin'io taratasy io dia nilaza izy fa rehefa nandinika sy nivavaka nandritra ny taona maro dia mihevitra fa ny fiarahan'ny lehilahy roa na vehivavy roa, tsy misy fampirafesana ary katsahiny haharitra mandra-pahafatiny dia TSY voararan'ny Soratra Masina – ary tsy voaresaka ao amin'ny Soratra Masina ity zavatra ity. Izay mihitsy no nolazainay hatramin'izay.

(…) Nataony tokoa izay nolazainy hoe ho ataony : navelany ny heviny manokana ary mirotsaka ho mpanelanelana izy “ho an'ny Fiangonana iray manontolo”. Tsy zava-baovao mihitsy izany. Fa mampalahelo fotsiny.

Misy blaogy hafa nosokafan'ireo mpandray anjara Liberal ao amin'ity fivoriam-be any Lambeth ity koa, tahaka ny Lambeth Conference LGBT Anglican Portal, Walking with Integrity, ary ny Lambeth News Blog.

Ao amin'ny firaketana ofisialy mikatsika ity fivoriana ity, izay hita ao amin'ny Episcopal Life Online, no ahitana ny nolazain'i Susan Russell, filohan'ny Integrity USA, ary pretra ao Los Angeles :

“…in spite of extraordinary pressure to do otherwise, the Archbishop of Canterbury has managed to achieve his stated goal of a Lambeth Conference of reflection rather than resolutions.

“The long predicted coup d'état that was going to emerge from this Lambeth Conference and vote the Americans and Canadians out of the Anglican Communion failed to materialize. There is much to be grateful for in that.”

” … na dia teo aza ny “fanerana” azy, dia vitan'ny Arsevekan'i Canturbery ny nametraka ny fandinihana ho tanjon'ny fihaonam-ben'i Lambeth fa tsy famahana olana.

“Tsy tanteraka ny faniriana hanilika ny Amerikana sy Kanadiana izay efa nisy nanomana hatry ny ela fa ho atao tamin'ity fivoriam-ben'i Lambeth ity. Betsaka no tokony hankasitrahana azy amin'izay.”

Nanao ity tahirin-tsary mahaliana ity koa i Susan Russel,mampiseho ny faharisian'ireo nikarakara ny fifandraisana sy ireo olona niasa nahatontosa ity fivoriam-be ity.

Lambeth

Sary nalaina tao amin'ny blaogin'i Susan Russell, Lambeth Conference Photo.

Nampiasa ny “Fijoroana vavolombelon'ny tsirairay” [Citizen Media koa ny Integrity USA ao amin'ny The Lambeth Witness mba hanaovana “vavolombelon'ny Fitiavan'Andriamanitra ny Fiangonana Anglikana, sy ny LGBT”. Niaraka tamin'ny Inclusive Church Network moa izy ireo namoaka lahatsoratra isan'andro mikasika io fivoriam-be natao tao Canturbery io.

Ilay sary ery amin'ny voalohany io dia maneho ny Katedralin'i Canterbury, nalain'i Sarah Hecht, ary ampiasaina miaraka amin'ny fepetran'ny Creative Commons.

2 hevitra

  • Tsara

    Toa sarotra tokoa ny mandika an’ilay LGBT (Lesbian, Gay, Bisexual and Transgender) amin’ny teny Malagasy. Sarindahy, sarimbavy, mandrairoa, Mpiovataova ??? Sa ho raisina ny teninjatovo hoe pelaka?

    Mahaliana ity atrikasanareo ity ka dia mahereza hatrany.

  • Manahoana Tsara,

    Misaotra e !

    Ilay mpiovataova ohatra ny azo eritreretina tokoa fa misaotra amin’ny soso-kevitra. Ilay sarimbavy na sarindahy kosa indray, toa misy tsy “pelaka” izy ireny ka.

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Tsara

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.