- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kiobà: Mendrika izany ve?

Sokajy: Amerika Latina, Kiobà, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

Yoani Sanchez [1] no manadihady ny volavolankevitra vaovao hampakarana ny vola fandrain'iny olona efa retirety ary dia naka ohatra mpampianatra iray efa ho tonga amin'izany maharetirety azy izany mba hanehoany ny fiangarana ataon'ny rafitra: “Mba hampiharihary azy, ity vehivavy ity dia mbola hiasa dimy taona fanampiny indray, ka rehefa tonga ny fotoana handaozany ny asa ny alin-kasasarana ho azony kosa dia vola fanampiny ahazoany mividy labiera iray isam-bolana.”[fa naninona koa no labiera no natao ohatra e?]