- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Ankizivavy tonga lafatra tamin'ny fanokafana ny lalao olaimpika?

Sokajy: Shina, Fanatanjahantena, Media sy Fanoratan-gazety, Mozika, Tanora, Lalao Olaimpika

Nadikan'ny China Digital Times ho amin'ny teny angilisy ny resadresaka nifanaovany tamin'i Chen Qigang, mpandrindra ankapobeny ny hira nandritra ny fotoam-panokafana ny lalao olaimpika, ary nanambaran'ity farany fa feon'ankizy hafa efa noraisimpeo mialoha ny feo henon'ny rehetra nandritra io lanonampanokafana io [1].[avy amin'ny mpandika teny: tsikaritro iny ka! nisy manko fotoana bitika dia bitika hitako tsy nifanandrify tsara feo sy ny sary, ankoatra ny tsy fiezahan'ilay zaza hihira mafy nefa mafy anie izany feo izany e!]