- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Joridania: Voarara any Isiraely ny Harry Potter amin'ny teny arabo

Sokajy: Israely, Jordania, Fiteny, Haisoratra, Lalàna, Tanora

Voarara any Isiraely ny andiamboky voadika amin'ny teny arabo Harry Potter, hoy i The Black Iris [1], avy any  Joridania. Araka ny loharanombaovao dia nankinina tamin'ny didy hitsivolana nivoaka tamin'ny taona 1939 – raha mbola tao ambany fitondran'ny Angilisy ny faritra – izay mandrara ny fanafarana ny boky avy any amin'ny firenena miady amin'Isiraely.