- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Ny voasakana sy ny tsy voasakana

Sokajy: Hong Kong (Shina), Shina, Fahalalahàna miteny, Zon'olombelona, Lalao Olaimpika

Maro ny vohikala, tahaka ny Radio free Asia (radio afaho i Azia), no lasa azo tsidihina mandritra ity lalao olaimpika ity, na izany aza hoy i Liu Xiaoyuan dia mbola maro ny bolongana voasakana tsy ho azo tsidihina hatrany [1]. Nofantenana hovahana fatotra noho ny fanerena politika ireo vohikala azo tsidihina fa ny tena mitoetra dia ny fanakanana ihany. Mbola mikatona manko hatramin'izao ny fampahalalam-baovaon'olom-pirenena tahaka ny inmediahk.net [2] any Hong Kong.