Karaiba: Afaho ny tenanao
Androany no Androm-panafahana any amin'ny firenena Indiana andrefana ( tsy karana) – andro nanambarana ny fiafaran'ny fanandevozana, rehefa afaka araka ny lalàna ny andevo rehetra. 170 taona aty aoriana, vitsy ireo mpamaham-bolongana Karaibeana mba mahatsiaro ireo razambeny izay nanao tsy ho zavatra ny ainy hananan'ny ankehitriny ny fahafahana…
Montego Bay Day By Day dia naka sombin-dahatsoratra avy amin'ny The Road to Freedom na lalam-pahafahana nosoratan'i Tanesha Ramdanie, izay mamariparitra ny fihetsika mamaly ny filazana ara-tantara:
Tears of joy flowed incessantly, while shouts of freedom rang from the mountain tops and the plains, from the men, women and children, who had learnt that they were finally free of the oppressive social and economic system in which they were treated as less than human.
…raha naka ampaham-kira malaza Baribady izay nanainga ireo andevo afaka an'arivony hihira an-dalambe hihira ny isan'andininy rehefa nandre ny fanafoanana ny rafi-mpanompoana ka mametraka amin'izay ny tena fahafahana tamin'izany taona 1838 izany i Gallimaufry :
Lick and lock-up done wid,
Hurrah for Jin-Jin!
Lick and lock-up done wid,
Hurrah for Jin-Jin!God bless de Queen fuh set we free
Hurrah for Jin-Jin!
Now lick and lock-up done wid,
Hurrah for Jin-Jin!
mihoraha ho an'i Jin-Jin
Nihidy anaty lalina no afaka nahazo ny nalalaka,
mihoraha ho an'i Jin-Jin
Tsitoha hitahy ny mpanjaka nandefa antsika ho afaka,
mihoraha ho an'i Jin-Jin
Nihidy anaty lalina no afaka nahazo ny malalaka,
mihoraha ho an'i Jin-Jin
“Jin-Jin” dia milaza ny Mpanjakavavy Victoria ary io tononkira io dia voasokitra ao ambadiky ny sarivongan'ny fanafahana ho fahatsiarovana an'i Bussa – andevo nitarika ny fikomiana tamin'ny tompon'ny sahabe naharitra indrindra tany Baribada ary maty mahery fo nandritra ny ady iray.
Mpamaham-bolongana Baribady hafa, Dennis Jones, no mitantara ny fisesisesin'ny asa any Bridgetown ho fiomanana amin'ny fety:
The Esplanade was already set up and decked ready for celebrations later in the day. Amongst those already milling around for these, I saw many Rastas, or at least people with dreadlocks and tied heads; they were equally numbered with people who were dressed in west African style clothes. Each group was outnumbered by vendors at this early stage, as they set up and started cooking: the smell of the fish fritters was really hard to resist…
Saingy nampiany hoe:
I'll be very surprised if I hear many words about emancipation during the day, except during the radio or TV broadcasts related to the day's celebrations, and that strikes me as sad. For most of us there is nothing august about this day–nothing majestic, dignified, or grand. It is very ordinary. Maybe freedom has made us all complacent about what bondage really represented. Many black people only focus on the slave heritage imposed on their ancestors by Europeans and so see it as a white-on-black “crime”, and know little or nothing about the long history of slavery…
So, while we can loll around complacently with the freedom that we now have, we ought to get sight of its absence in many, many places. Remember that slavery is an international injustice, that has racial and ethnic aspects far removed from black-white relations.
Noho izany raha mianoka ny fahafahana iaianana ankehitriny isika, dia tokony hahay mijery ny fahabangany any amin'ny toerana maro dia maro. Tsarovy fa tsy rariny hita any amin'ny firenentsamihafa ny fanandevozana, ary toetram-pifandraisana eo amin'ny foko na fiaviana mifanalavitra amin'ny fifandraisan'ny fotsy sy ny mainty
Na izany aza dia namoaka ny fandaharam-potoana hotanterahina mandritra ity Androm-panafahana ity i Discover TnT Blog ho an'i Trinite sy Tobago ary Abeni avy any St. Vincent sy Grenadines indray nisintona avy amin'i Bob Marley sy Maya Angelou hilazany ny fomba fijeriny ny mahazava-dehibe tokony hankalazana mandrakariva ity fotoana ity.
Sokajy
