- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Fa iza no handeha any amin'ny lalao olaimpika e?

Sokajy: Madagasikara, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalao Olaimpika

Misy fisavoritahana ihany ny fahalalana ny isan'ny delegasiona malagasy mandritra ny lalao olaimpika 2008. Mbola tsy nivoaka moa ny filazana ofisialy raha tsy vao andro vitsy foana zay ka nahenoanay fa 7 ny isan'ny atileta [1] handray anjara (fr) fa tsy 4 araka ny voalaza tamin'ny voalohan'ny volana [2] (en). Ankoatra izay, mbola tsy fantatra hatramin'izao ny isan'ny delegasiona  tsy atileta [3] saingy hanatrika ny lalao any Beinjing avokoa ireo nahazo medaily volamena 107 nandritra ny lalaon'ny nosin'ny ranomasimbe indiana farany teo [4] amin'ny maha-nasain'ny filoha azy ireo (fr).