Jolay, 2008

Tantara tamin'ny Jolay, 2008

Afirika: Tatibaovao amin'ny alalan'ny finday

  30 Jolay 2008

White African no miady hevitra momba ny fitatera-baovao (mifindrafindra) any Afirika, “Ny (orinasa ) avy any  Pays-Bas AfricaNews no mpitari-dalana amin'ity sehatra ity, raha nanomboka tamin'ny herintaona tao amin'ny tranonkalany ny “Voices of Africa” (Feon'i Afirika). Tsy mitsahatra ny sondriana aho amin'ny fahitany, fanazarany ary fanomezany fitaovana ny mpanao gazetiny...

Mozambique: Fa maninona no tsy ampidirina amin'ny hopitalintsika ny mpitondrantsika

  29 Jolay 2008

Custódio Duma [pt] no mitondra vaovao ho antsika fa nentina haingana tany amin'ny hopitaly any Afrika Atsimo ny minisitry ny fiarovana Mozambikana Filipe Nyussi raha tapaka nandritra ny lozam-pifamoivoizana ny tanany. “Reko ny filazan'ny minisitry ny fahasalamana tao amin'ny RDP Africa tamin'ny herinandro fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny Hopitaly lehiben'i Maputo…...

Ukraine: Fanazarantenan'ny manampahaizana Irakiana

  29 Jolay 2008

Chernobyl and Eastern Europe no nanoratra fa “Mpampianatra 3 avy any Texas sy mpianatra Irakiana 27 no manao fanazarantena amin'ny fomba fanadiovana manala sisantaratra mampididoza” nandritra ny volana jona lasa teo tany Pripyat (Ukraine): “Eny, zavatra mahaliana azo atao amin'i Pripyat – ny fanazarana ny Irakiana  ny tekinikam-panadiovana ny tanàna...

Brezila: Fihetseham-panoherana tsy manao tatinono tao Rio

  29 Jolay 2008

Navoakan'i Walter Valdevino tao amin'ny  Nova Corja [pt] ny sarim-pihetsiketseham-panoherana hafakely tao Barezila, raha nizotra ho eny afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro tsy misy tatinono ity vehivavy aritista 28 taona iray. “Silipo kely ihany no mba fitafiana nentiny, nandeha 15 metatra nisikina ny sainam-pirenena Bareziliana hanakona ny fitombenany ity mpirotsaka hifaninana ho...

Shina: Ento miaraka aminao ny router wifi-nao

  29 Jolay 2008

Lafo dia lafo ny sarantserasera aterineto  ao amin'ny tanàna olaimpika ao Beijing, hoy ny mpanoratra iray ao amin'ny Andrew Lih's AndrewLih.com: “Tsy mampino fa tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mifampiraharaha amin'ny Mandaben'i Shina aho, fa mandifotr'olona ihany koa (manempotra) ny saram-pampiasana azy!”

Siria: Ireharehana ny mahaNandra sy mahamazandoha

  28 Jolay 2008

Mpamaham-bolongana Syriana Mohammed Online [Ar] no nanoratra hevitra enina hahatonga anao ho “tratra aoriana” sy “ekisitiremista.” Hazavainy amintsika kosa anefa hoe nahoana no ireharehany izany.

Brezila: Nahazo alalana ilay tetikasa nokileary efa nampiady hevitra

  28 Jolay 2008

Nahazoana fahazoan-dalana vonjimaika, avy amin'ny Ivotoerana Breziliana miahy ny tontolo iainana sy ny akora azo avaozina tamin'ny 23 jolay farany teo, ho azon'ny mpametraka angôvon-taratra nokileary Breziliana trandrahina ilay mpamerin-kery (réacteur) efa nampiady hevitra Angra 3 , nefa mialoha izany dia andiam-pifanarahana fiarovana ny tontolo iainana mahatratra 60 no napetraky ny minisitry ny tontolo iainana Carlos Minc tsy maintsy ekena.

Varavarana miafina ny AFRICOM

  28 Jolay 2008

Parole de Democrate [Fr] no mieritreritra fa vavahady miafina hidirana sy hampielezana ny Amerikana miafina eto Afirika ny AFRICOM ary lazainy fa efa nanao iraka miafina tao anatin'ny sisintanin'i Alizeria ny vondrotafika Amerikana, araka ny loharanao tsy voatonona iray.

Iran: Mirahalahy miady amin'ny SIDA nosamborina

  27 Jolay 2008

Saffron Sky no nanoratra fa mpikaroka mirahalahy (Dr. Kamiar sy Dr. Arash Alaei), izay fanta-dtaza iraisam-pirenena noho ny asany amin'ny ady amin'ny VIH/SIDA any Iran, no nogadrain'ny fitondrana Iraniana nandritra ny iray volana.