- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ghana: Nahandro sy tsironkanina

Sokajy: Ghana, Sakafo, Toekarena sy Fandraharahàna

Emeka no manoratra orinasa iray mampiely amin'izao tontolo izao ny tsironkanina sy ny nahandro Afirikana [1]: “Natsangan'ilay efa nahazo ny loka manokana Felicia Twumasi, (ny orinasa mamokatra) sakafo araka ny fomba Homefoods (vita an-trano), voafono avy amin'ny ravim-boanio mena fanaova-menaka, ny Episy (fanatsarana tsiron-kanina) Afirikana tonga lafatra, mangahazo voatoto, saosy mafana vita amin'ny shito ary voankazo masa-tsiramamy (kaofitora fa tsy kaofiboay).”