- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozambique: Fa maninona no tsy ampidirina amin'ny hopitalintsika ny mpitondrantsika

Sokajy: Mozambika, Fahasalamàna, Fampandrosoana

Custódio Duma [1] [pt] no mitondra vaovao ho antsika fa nentina haingana tany amin'ny hopitaly any Afrika Atsimo ny minisitry ny fiarovana Mozambikana Filipe Nyussi raha tapaka nandritra ny lozam-pifamoivoizana ny tanany. “Reko ny filazan'ny minisitry ny fahasalamana tao amin'ny RDP Africa tamin'ny herinandro fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny Hopitaly lehiben'i Maputo… koa nahoana moa no tsy mba ampidirina ao amin'io hopitaly io mihitsy ny mpitondrantsika?”