- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Fihetseham-panoherana tsy manao tatinono tao Rio

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fanoherana, Hehy

Navoakan'i Walter Valdevino tao amin'ny  Nova Corja [1] [pt] ny sarim-pihetsiketseham-panoherana hafakely tao Barezila, raha nizotra ho eny afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro tsy misy tatinono ity vehivavy aritista 28 taona iray. “Silipo kely ihany no mba fitafiana nentiny, nandeha 15 metatra nisikina ny sainam-pirenena Bareziliana hanakona ny fitombenany ity mpirotsaka hifaninana ho Miss Flamengo [2] ity ary nandray fiarakaretsaka avy eo, ka nampihoraka hakiviana ny kaofiboay teo akaiky teo”. Ho fanoherana ny hanohanana, tsy rariny ary ny fampanantenana poakaty ataon'ny mpanao politika no nanaovany izany.