- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Siria: Ireharehana ny mahaNandra sy mahamazandoha

Sokajy: Syria, Fivavahana, Hevitra

Mpamaham-bolonana Syriana Mohammed Online [1] [Ar] no namoaka hevitra enina mahatonga ny olona ho “nandra” sy “be didoha.” Eto ary dia asehony hoe inona no mahatonga azy hirehareha ho anisany.

Hoy i Mohammed:

استطعت أن أجمع لكم صفات إن وجدت لدى أحدكم لاستحق لقب المتخلف و المتطرف بامتياز :
إن كنت ممن بنصحون الناس نصائح ما و خصوصا إن كانت دينية فإنك ترتكب حينها خطأ جسيم إما أن تعتذر عنه أو تستعد لتلقي الإنتقادات اللاذعة جراء فعلتك الشنيعة تلك !
إن كنت ممن ينصحون بعدم مشاهدة الأفلام الإباحية ، فاستغفر الله و اتقيه ، فهذا أكبر دليل على كونك متابع عتيق للأفلام الإباحية أو همجي تنصح بما لا علم لك فيه، فالأفلام الإباحية محتاجة لخبير ديني ليفتي بحرمانيتها !
إن كنت ممن يستخدمون مصطلحات دينية، مثل سيئات ، حسنات ، رضا الله ، سخط الله، إتباع الشريعة الإسلامية، فأنت إذاً حينها متطرف و همجي و متخلف و غير حضاري ، لأن هذا دليل على أنك لست متحضر و مازلت تعيش زمن الإبل !
إن كنت تعارض تلك الكتب و المقالات التي تتعرض للذات الإلهية فأنت إنسان غير مثقف و لست مع حرية الإبداع !
إن كنت ممن يشجعون الفتيات على لبس الحجاب، فأنت رجولي تضطهد المرأة و تجبرها على ما تكره و تقوض تطور المجتمع !
إن كنت باختصار تحاول قدر المستطاع نشر الفضيلة فأنت يا صديقي متخلف و متطرف و همجي !
و في الختام كم أتمنى أن أكون متخلف إن كان هذا هو التخلف في نظر البعض !

Voangoko avokoa ny toetoetrany rehetra, izay raha hitanareo dia ataonareo avy hatrany fa ‘nandra ‘ sy ‘ekisitiremista.’ aho:
– Raha misy aminareo manolotsaina olona, indrindra fa amin'ny resa-pivavahana, nanao fahadisoana goavana ianao izay. Na ianao hiaro tena avyhatrany na ho vonona hanaiky ny tsikara noho iny fihetsikao iny!
– Raha misy aminareo miteny amin'ny olona tsy hijery vetaveta, hivavaka amin'i Allah hahazoana famelan-keloka, izay porofo lehibe fa na ianao milendalenda tokoa nijery ireny lahatsary ireny na ianao olona baribara miteny ny zavatra tsy ahiny akory. Tokony ho avy amin'ny olom-pivavahana ihany ny fandrarana fijerena sary vetaveta, ary avy amin'ny fatwa ( lalàm-pivavahana silamo)!
– Raha toa ianao mpampiasa ireny teny fampiasa any amin'ny fivavahana ireny, tahaka ny teny hoe fahotana, asa tsara, ny fahasoavan'Andriamanitra, ny fahatezeran'Andriamanitra, ny Shari'a [2] (lalàna silamo), dia tena olona be didoha [sekta raha amin'ny kirisitiana], baribara, nandra, ary tsy sivilize. izany no porofo fa mbola miaina ny tamin'ny andron'ny salaka ihany ianao [rameva amin'ny teny arabo]!
– Raha toa ianao manana tsikera amin'ireny boky sy lahatsoratra manontany ny fisian'Andriamanitra ireny dia tsy manaraka ny fandrosoana ianao izay ary manohitra ny fahafahana hivoatra!
– Raha toa ianao anisan'ny mampirisika ny vehivavy hisarona Hijab (voaly silamo), dia mitady hanambany ny vehivavy ianao izay amin'ny fanerena azy ireny hanao izay zavatra tsy tiany ary mifanindran-dalana amin'izay manakana ny fandrosoan'ny fiaraha-monina!
– Raha atao bangotokana, raha toa ianao manely ny soatoavina tsara arahina amin'ny fiarahamonina, dia “nandra”, “be didoha” ary “mahery setra (baribara) ianao izay!
Fehiny, te-ho nandra aho, ilay nandra eo imason'ny sasany!