Siria: Ireharehana ny mahaNandra sy mahamazandoha

Mpamaham-bolonana Syriana Mohammed Online [Ar] no namoaka hevitra enina mahatonga ny olona ho “nandra” sy “be didoha.” Eto ary dia asehony hoe inona no mahatonga azy hirehareha ho anisany.

Hoy i Mohammed:

استطعت أن أجمع لكم صفات إن وجدت لدى أحدكم لاستحق لقب المتخلف و المتطرف بامتياز :
إن كنت ممن بنصحون الناس نصائح ما و خصوصا إن كانت دينية فإنك ترتكب حينها خطأ جسيم إما أن تعتذر عنه أو تستعد لتلقي الإنتقادات اللاذعة جراء فعلتك الشنيعة تلك !
إن كنت ممن ينصحون بعدم مشاهدة الأفلام الإباحية ، فاستغفر الله و اتقيه ، فهذا أكبر دليل على كونك متابع عتيق للأفلام الإباحية أو همجي تنصح بما لا علم لك فيه، فالأفلام الإباحية محتاجة لخبير ديني ليفتي بحرمانيتها !
إن كنت ممن يستخدمون مصطلحات دينية، مثل سيئات ، حسنات ، رضا الله ، سخط الله، إتباع الشريعة الإسلامية، فأنت إذاً حينها متطرف و همجي و متخلف و غير حضاري ، لأن هذا دليل على أنك لست متحضر و مازلت تعيش زمن الإبل !
إن كنت تعارض تلك الكتب و المقالات التي تتعرض للذات الإلهية فأنت إنسان غير مثقف و لست مع حرية الإبداع !
إن كنت ممن يشجعون الفتيات على لبس الحجاب، فأنت رجولي تضطهد المرأة و تجبرها على ما تكره و تقوض تطور المجتمع !
إن كنت باختصار تحاول قدر المستطاع نشر الفضيلة فأنت يا صديقي متخلف و متطرف و همجي !
و في الختام كم أتمنى أن أكون متخلف إن كان هذا هو التخلف في نظر البعض !

Voangoko avokoa ny toetoetrany rehetra, izay raha hitanareo dia ataonareo avy hatrany fa ‘nandra ‘ sy ‘ekisitiremista.’ aho:
– Raha misy aminareo manolotsaina olona, indrindra fa amin'ny resa-pivavahana, nanao fahadisoana goavana ianao izay. Na ianao hiaro tena avyhatrany na ho vonona hanaiky ny tsikara noho iny fihetsikao iny!
– Raha misy aminareo miteny amin'ny olona tsy hijery vetaveta, hivavaka amin'i Allah hahazoana famelan-keloka, izay porofo lehibe fa na ianao milendalenda tokoa nijery ireny lahatsary ireny na ianao olona baribara miteny ny zavatra tsy ahiny akory. Tokony ho avy amin'ny olom-pivavahana ihany ny fandrarana fijerena sary vetaveta, ary avy amin'ny fatwa ( lalàm-pivavahana silamo)!
– Raha toa ianao mpampiasa ireny teny fampiasa any amin'ny fivavahana ireny, tahaka ny teny hoe fahotana, asa tsara, ny fahasoavan'Andriamanitra, ny fahatezeran'Andriamanitra, ny Shari'a (lalàna silamo), dia tena olona be didoha [sekta raha amin'ny kirisitiana], baribara, nandra, ary tsy sivilize. izany no porofo fa mbola miaina ny tamin'ny andron'ny salaka ihany ianao [rameva amin'ny teny arabo]!
– Raha toa ianao manana tsikera amin'ireny boky sy lahatsoratra manontany ny fisian'Andriamanitra ireny dia tsy manaraka ny fandrosoana ianao izay ary manohitra ny fahafahana hivoatra!
– Raha toa ianao anisan'ny mampirisika ny vehivavy hisarona Hijab (voaly silamo), dia mitady hanambany ny vehivavy ianao izay amin'ny fanerena azy ireny hanao izay zavatra tsy tiany ary mifanindran-dalana amin'izay manakana ny fandrosoan'ny fiaraha-monina!
– Raha atao bangotokana, raha toa ianao manely ny soatoavina tsara arahina amin'ny fiarahamonina, dia “nandra”, “be didoha” ary “mahery setra (baribara) ianao izay!
Fehiny, te-ho nandra aho, ilay nandra eo imason'ny sasany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.