Madagasikara: Masoivoho Frantsay voaroaka noho ny vitandratsy

Nanaitra ny mpanatrika ny fankalazana ny 14 jolay ny masoivoho frantsay Gildas Le Lidec eto Madagasikara rehefa nanambara fa handao ny firenena izy raha vao enimbolana monja no niasany:

Je regrette profondément que le président de la République de Madagascar ne m'ait pas accordé la moindre chance pour pouvoir remplir l'exaltante mission dont je rêvais depuis longtemps.

Malahelo tokoa aho fa tsy namela ahy hamita ny iraka mampientanentana nofinofisiko hatry ny ela ny filohan'ny Repobilikan'i Madagasikara.

Tsy mazava loatra ny antony andndefasana ity masoivoho ity. Misy ny mihevitra fa tsy ankasitrahan'ny filoha Marc Ravalomanana loatra ny fahitana matetika an'i Le Lidec any amin'ny firenena nisiana korontana. Tany Kinshasa, renivohitry ny Repobilika demokiratikan'i Kôngô, indrindra i Le Lidec tamin'ny Oktobira 2000, raha nisy namono i Laurent-Désiré Kabila, ary tany Cote d'Ivoire nandritra ny 2002 ka hatramin'ny 2005, raha nisy ny mpioko mitam-piadiana namely an'i Laurent Gbagbo.

Angamba manoatra noho ny kisendrasendra ny niasan'i Le Lidec nandritra ny vanim-potoana niasany tamin'ireo fotoana nampihotakotaka ireo, ka nahatonga ny mpanao gazety akaiky ny fitondrana haminavina ny fikasan'i LaFirantsa atao eto amin'ny Nosy Mena:

Il vient pour tuer le President.

Tonga hamono ny filoha io.

Mailaka hanimbazimba ny tsy fitiavan-dravalomanana an'i Gildas Le Lidec kosa ny gazety Firantsay manilika azy ho amin'ny finoanoam-poanan'i Filoha Malagasy:

La raison de la défiance dont est victime le diplomate tient, selon les responsables français, à la personnalité du président Ravalomana, “un homme jeune à la fois moderne et superstitieux, voire arriéré.

Araka ny lazain'ny tompon'andraikitra Firantsay, dia ny toetra mahaizy azy ny filoha Ravalomanana no nahavoa an'ingahy dipilaomaty, [ny filoha izay] “tanora, sady tia fandrosoana no minomino foana, tratra aoriana e!”.

Sylvain Ranjalahy, mpanao gazety malagasy kosa, mahita avy amin'ity toe-javatra ity ny fahatapahan'ny fifandraisana eo amin'ny malagasy sy Firantsay. Saingy tsy aseho vahoaka moa amin'ny ankapobeny ny vaovao tahaka izany, ampangain'ny masoivoho firantsay ny filoha Malagasy ho manao izay hankahalana azy.

Maro any amin'ny tontolom-bologana Afirikana no toa mitovy hevitra amin'ny filoha Ravalomanana amin'ity masoivoho Firantsay ity ka anisan'izany ny mpamaham-bolongana Ivoariana Théophile Kouamouo:

Le Lidec semble étonnamment présent quand les présidents se font tuer, ou vivent des tentatives d'assassinat, surtout dans les pays où la France est potentiellement fortement impliquée.

Mahavariana tokoa fa tsikaritra any amin'ny toerana ahafatesana filoha na tratran'ny fikasana hamono filoha hatrany ity Le Lidec ity, indrindra moa fa any amin'ny firenena manana anjara toerana lehibe i Firantsa.

Ny hafa kosa mahita fa mbola taratry ny fahaverezan'ny henatra sy ny tahotra ananan'ny mpitondra afirikana ny nanjanaka azy taloha izao “fandroahana” ny dipilaomaty fratsay izao. Mampivoitra izany ny hevitra nabosaky Rakoto, mpamaky iray any eto Madagasikara, ho valin'ny filazan'i Kouamuo:

… ça discréditait un président que n'apprécient guère certains milieux.
Un journal français l'a même traité “d'arriéré”. Que diraient ces “vazaha” si notre Presse utilisait des qualificatifs équivalents à l'égard de leurs hommes d'Etat ? Une mentalité raciste et méprisante n'a pas été éradiquée chez les anciens colonisateurs et certains compatriotes psychologiquement “aliénés ” leur emboîtent hélas triomphalement le pas.On a donc mis sur le dos du président Ravalomanana, à qui on ne pardonne pas non plus l'utilisation de la langue maternelle dans l'enseignement primaire, ce qui est une querelle franco-française ; Ce faisant, on se défausse de ses turpitudes sur quelqu'un qui, pour le moment, n'a pas rejoint la “France-Afrique”. Ce qui est clair c'est que, dans le départ de l'ambassadeur, ni la superstition, ni le côté arriéré de notre président ne sont en cause.

“…manala baraka ny filoha tsy tia vondrona sasany izao. Milaza azy ho olona tratra aoriana mihitsy aza moa ny gazety firantsay iray. inona no holazain’ ireny “vazaha” ireny raha mba tenenina tahaka izany ny mpitondrany? Toe-tsaina mpanavakavaka sy mpanambanimbany tsy afaka amin'ireo mpanjanatany ary arahin'ireo vahoakany “adala”. Ampangainy ny filoha Ravalomanana, izay tsy ekeny ihany koa ny anaovana ny teny ibeazana ho lasa ampanarana indray any amin'ny ambaratonga fototra, ho fototry ny disadisa Firantsay sy malagasy. Amin'io lafiny io dia diso ny toraka atao amina olona iray izay tsy miditra amin'ny vondrona “France-Afrique” aloha amin'izao. Ny mazava aloha izao dia sady tsy ny finoanoam-poanan'ny filoha no tsy lafiny mahatratra aoriana ny filoha no antony nandroahana ny masoivoho.

Nanako tamin'ity mpiserasera iray ity ao amin'ny Serasera Forum ny tsy itokisany ny filoha ho manana andraikitra ratsy ( voampanga) :

Raha tena i filoha hajaina marina no nitondra ity baolina ity, nahoana kay no ingahy Ambasadaoro no nampilAza azy voalohany t@ mpanao gazety, ARY t@ andron'ny fety nasionaly firantsay? Mahagaga!!!
Raha tena i filoha hajaina marina no tena mazana t@ ity aferafera ity, nahoana ingahy zokinibe Ramarisely toa nihanahAna sahala @ zanak'Akoho natelindrRamenarana t@ io fotoana io? Io ihany dia efa manambara amiko fa TSY nampoizin'ingahy zokibe Ramarisely ity fanambarAna nataon'i ambasadaoro ity.

Mpiserasera Firantsay iray, namaly ny lahatsoratry Le Monde, “Masoivoho Firantsay voaroaka fa manimba vintana,” no milaza fa tokony ho voasoroka izany:

“Pour autant, si la raison est vraiment un problème de superstition, c'est une faute de notre diplomatie de ne pas l'avoir prise en compte lors de la nomination de notre représentant. Tout ceci n'enlève rien à son talent, bien entendu. Tout simplement une erreur de “casting”

“Raha tena resaka finoanoam-poana no antony, dia hadalan'ny dipilaomasiantsika ny tsy nieritreritra izany fony nannendry solontena. Tsy manala ny fahaizana aman-talentany izany fa fahadisoan-toerana ametrahana olona fotsiny.”

Fa mpamaky iray ao amin'ny Le Monde iray hafa koa dia maminavina fa mbola fiantraikan'ny sotasota nataon'ny mpiasam-panjakana Firantsay an-dRavalomanana tamin'ny androny ihany izao:

Peut-être faut-il aussi rappeler le sentiment anti-français du président malgache. Peu de gens savent que ce sentiment est né alors que le Président actuel n'était qu'un petit industriel et qu'il s'est vu maltraité par le consulat lors d'une demande de visa. Faut-il aussi rappeler les sarcasmes entendus dans la bouche de nos diplomates toujours si arrogants lorsque ce petit industriel devenu plus grand a accédé à la mairie de Tananarive. Et nos diplomates continuent de railler…

Tsara ihany koa ny mampahatsiahy ny tsy fitiavan'ny Filoha Malagasy ny Firantsay. Vitsy ny mahalala fa nipoitra avy amin'ny tsy nahazoany visa avy amin'ny ambasady mihitsy izany fony ny filoha ankehitriny mbola mpandraharaha madinika. Tsara ihany koa ny mampahatsiahy ny fanevatevana nataon'ny dipilaomatintsika tamin'ilay mpandraharaha madinika lasa vaventy reehefa lasa Ben'ny tanànan'Antananarivo izy. Ary dia mbola miantsanatsambava ihany ny dipilaomatintsika…

Fa mbola misy ihany fanadrohadroana mikasika ny “mahatratra aoriana” ny fiarahamonina Afirikana:

L'horoscope de l'ambassadeur était en contradiction avec celui du président malgache ? Mon Dieu ! Mon Dieu ! L'Afrique est bien sur la voie du modernisme ! Aucun doute …

Tsy mifananmbina amin'ny filoha malagasy hoe ny masoivoho? Andriamanitro ô! Andriamanitro ô! tsy isalasalana fa mankany amin'ny fandrosoana tokoa i Afirika…

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.