- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Golàgy aseho an-tserasera

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Rosia, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Politika, Tantara, Teknolojia, Zon'olombelona

Robert Amsterdam no manintona [1] ny fampirantiana an-tserasera ny fomba fiasan'ny Golàgy nandritra ny fitondrana Sovietika – natsangan'ny ivon-toerana momba ny tantaram-pirenena sy ny New Media [haino amanjery vaovao] ao amin'ny  Anjerimanontolon'i George Mason ary iarahany miasa amin'ny mpandala ny  zon'olombelona Rosiana “Memorial” – ka asehony an-dahatsary ao fomba fisamboran'olona nandritra ny andron'i Stalina.