Silaovakia: Mitsipaka ny fahaleovantenan'i Kosovo

Nanambara ny fahaleovantenany ny Repobilikan'i Kosovo tamin'ny 17 feboroary 2008. 43 amin'ny 192 mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana no manaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo ary tafiditra amin'izany i Etazonia, Kanada, Aositiralia ary ny ankamaroan'ny mpikambana ao amin'ny vondrona Eoropeana. Fa ny tena malaza manohitra kosa — aorain'i Seribia — dia i Rosia.

Nanambara ny goverinemanta Silaovàka volana vitsivitsy lasa izay fa tsy hanaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo. Ary nanambara ihany koa ny minisitry ny raharahambahiny Silaovàka fa tsy handray antontan-taratasy avy amina Kosovo mahaleo tena izany, ary tafiditra amini'zany ny pasipaoro Kosovara. Hoy Peter Martinovic, mpamaham-bolongana Silaovàka :

[…] If a citizen of Kosovo find himself/herself being on the Slovak territory, he/she will be considered to be an illegal immigrant despite having a valid [Schengen ] visa. […]

Raha misy olompirenena Kosovara miditra ny fizarantany Silaovàka dia heverina ho mpifindra monina tsy ara-dalàna izy na dia manana fahazoan-dalana Schengen aza.

Koa inona moa no vokatr'izany? nahoana moa no tsy manaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo i Silaovakia nefa ireo firenena tena mifanolobodirindrina aminy kosa tahaka ny Repobilika Tseky, Polonina, ary Haongoria efa nanaiky? Fa inona no mahatonga ny firenena tahaka an'i Silaovakia, izay efa nanjakazakan'ny firenena matanjaka nandritra ny taonjato maro, ary vao 15 taona izay no nahaleovany tena, no nisafidy ny tsy hanaiky ny fahaleovantenan'ny firenena tahaka an'i izay nolazain'ny Firenena Mikambana fa ” niharan'ny tsindry hazo lena” avy amin'ny goverinemanta nitantana azy?

Toy izao ny fanazavazavana hitan'i Martinovic:

[…] This question is one of the few that bring the Slovak political spectrum together. With the exception of the Hungarian minority party , all political subjects (whether they are just pro-European or fanatically pro-European ) agree upon refusal of Kosovo independence. Its roots can not only be found in a moved history of the 20th century […], but also in a lurking feeling of general public […] that Hungarian minority living in the south is a threat to our state's most important interests and that they still plan to break away and become part of Hungary. […]

Ity lohahevitra ity no iray amin'ny vitsy dia vitsy iraisan'ny tontolo politika Silaovàka manontolo hevitra. Avahana manokana amin'izany ny Antokon'ny vitsy an'isa Haongoroà , fa ny antoko politika rehetra na miara-dia ihany amin'i Eoropa na miara-dia tanteraka amin'ny fiarahana amin'i Eoropa dia niray hevitra hitsipaka ny fahaleovantenan'i kosovo. Ny anton'izany tsy noho ny fisavorovoroana niainana nandritra ny taonjato faha-XX ihany, fa eo koa fahatsapan'ny olom-pirenena amin'ny ankapobeny fa […] miaina any atsimo misy ny tena tombotsoan'ny firenena ny vitsy an'isa Haongoroà ary mikasa mandrakariva izy ireo ny hiendaka amin'ny firenena ka hikambana amin'ny firenena Haongoroà

Raha tonga amin'izao toerana maoderina misy azy izao i Silaovakia dia nanana anjara toerana lehibe tamin'izany ny Fitondram-panjaka Haongoroà. Teo ambany fahefan'ny Haongoroà nandritra ny taonjato maro manko ny Silaovàka. Fotoana maro tamin'izany no nitoloman'izy ireo hanan-jo ho vondrom-poko iray sy ny fahaleovantena avy eo. Taorian'ny ady lehibe voalohany no niforona i Tsekôsilaovakia. Rehefa voafaritra indray ny sisintany dia hita fa lasa nisy Haongoroà tafiditra ao anaty fizarantanin'i Tsekôsilaovakia. Ankehitriny dia misy 10%n'ny mponina raha kely indrindra ny Haongoroà mandrafitra ny isan'ny Silaovàka, ary mihoatra ny 40% aza any atsimon'i Silaovakia.

Tombatombanan'i Martinovic ny fahazoan-drariny amin'ny mety ho fiendahan'ny Haongoroà amin'i Silaovakia:

[…] [This] is of course nonsense and can be described only as a vulgar nationalism of some politicians that secures them votes of less educated (yet numerous) voters, although a behaviour of some Hungarian representatives hasn't been very helpful in order to calm down the situation. […]

[Tena] tsy misy dikany tokoa ilay izy ary taratry ny fitiavan-tanindrazana ambany karazana hahazoan'ny mpanao politika vato avy amin'ny mpifidy maro an'isa ambany fahalalana, sady vao maika mampisavorovoro ny toe-draharaha ihany koa ny ataon'ny solontena Haongoroà sasany.

Fa tsy tian'i Martinovic kosa ny fomba nahazoan'i Kosovo ny fahaleovantenany ary mety hiteraka randra-tarihina avy amina faritra iray “hanambara ny fahaleovantenany tsy nahazo fanekena avy amin'ny fitondrana foibe niankinany sady mbola eken'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena rahateo ny fijoroan'io fitondrana niankinany io.”

Ity kosa misy fomba fijery hafa , nasehona Silaovàka 24 taona manana anarana hoe Jan, ao amin'ny bolongana Us Europeans:

[…] The wish of Kosovo to become independent did not get the support from the Slovakian government. We think that Kosovo is part of Serbia and it should have remained so. It's not a situation where two parties win. We have a similar situation in the south, with some local Hungarian minorities who want to proclaim independence. For us Slovaks, such a move would be completely unacceptable. It would in no way be similar to the way we separated from the Czech Republic. […]

Tsy nahazo fanohanana avy amin'ny goverinemanta Silaovàka ny fanirian'i KOsovo hahaleo tena. Heverinay fa anatin'ny Seribia i Kosovo ary tokony hitoetra amin'izany. Toe-draharaha tsy ahazoan'ny roa tonta tombony izany. Misy tranga mitovitovy amin'ity ihany koa eto aminay any atsimo, amin'ireto Haongoroà mitady ny fahaleovantenany ireto. Ho anay Silaovàka dia tsy azo ekena velively izany. Tsy misy itovizan'ny fisarahanay tamin'ny Tseky mihitsy ity toe-draharaha ity.

Ary novalian'ny mpamaham-bologana Romana Corina Murafa :

[…] It’s like saying “sure all people are equal, but some people are more equal than other”. When we like separatist movements – for any reason that may be – sure, let me break loose. When we don’t, we immediately claim “the story is different”, separation would be unacceptable, so on. […]

Tahaka ny miteny hoe “ekena tokoa fa mitovy tantana ny vahoaka rehetra, fa misy ny vahoaka mitovy tantana kokoa amin'ny hafa”. Rehefa tohanana ny vondrona mpiendaka – na inona na inona heviny – dia avelao zahay ho afaka. Fa raha tsy izany kosa, dia lazaina avy hatrany fa “tantara hafa izany”, tsy azo ekena ny fisarahana e! sy ny sisa.

Mbola mitraka adihevitra maro any amin'ny faritra maro any Eoropa ny fahaleovantena Kosovara. Tsy azo tanterahina ny hoe hahazo ny fahaleovantenany avokoa ny isam-poko rehetra. Fa miteraka fanontaniana ny fiahian'ny fitondrana tsirairay ny vondrom-poko vitsy an'isa ao amin'ny firenena tsirairay; na izany na tsy izany ny fifampiresahina ihany no tena tsara indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.