- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Toby miaramila rosiana any Venezoalà?

Sokajy: Amerika Latina, Rosia, Venezoela, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Politika

Mpikambana ao amin'ny fiarahamonina LJ  Politika v Rossii (RUS) no nitsapa ny hevitry ny mpamaky [1] raha tokony araraotin'i Russia ny fanomezan-tanan'ny filoha Venezoelana Hugo Chavez ny hanorenana toby miaramila (Rosiana) any Venezoelà. Tena lasa lavitra tokoa, fa nanaiky ny hevitra ny 70%n'ny nanambara ny heviny rehefa nojerena ny valiny [2].