- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arimenia: Mpamaham-bolongana nanatrika valandresaky ny Filoham-pirenena

Sokajy: Armenia, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Politika

Real Armenia no nilaza fa mpamaham-bolongana roa ao an-toerana, Akanumatata_Ser [1] [RU] sy Pigh [2] [RU], no nahazo alalana hanatrika valandresaky ny filoham-pirenena ary hanontany izay fanontaniana voangona an-tserasera. Niarahaba ireo mpamaham-bolongana io bolongana voatonona voalohany io ary nolazainy fa tokony hitovy lenta amin'ny manao gazety ao an-toerana amin'izay ny mpamaham-bolongana [3].