Kazakhstana: Jery bolongana miresaka olaimpika

Miresadresaka ny mety ho vitan'ny mpilalaon'ny fireneny amin'ny lalao fanao anatin'ny andro mafana ny mpamaham-bolongana Kazakha amin'izao ankatoky ny lalao hotanterahina any Beinjing izao.

The composition of Russian olympic team is public for a long time already, including in the Internet. But it is still not known who will go there from Kazakhstan! I searched for this information, but in vain. The website of the National Olympic Cimmittee is totally quiet. How shall I believe in the bright future of the Kazakhstani sports now? If people don't know who goes from your country, it is hard to expect mass public support.

Efa fantatry ny vahoaka hatry ny ela ireo hisolotena ny Rosiana manditra ity lalao olaimpika ity, ary anisan'ny nampahafantatra azy ny ao amin'ny aterineto. Fa hatramin'izao kosa mbola tsy fantatra mihitsy izay avy eto Kazakhstana! Fa nikarobaovao ihany aho, fa sasa-poana. Mangina tanteraka ny tranonkalan'ny Komity nasionaly ny lalao olaimpika. Ahoana moa no ahafahako mino fa hamirapiratra ny ho avin'ny fanatanjahantena Kazakha ankehitriny? Sarotra dia sarotra ny hahazo fanohanana avy amin'ny vahoaka raha tsy fantany akory izay hisolo tena azy.

hoy grunge-amir [rus]. Taorian'izay, dia nisy sombim-baovao kely nivoaka – Mpilalao 132 Kazakha avy amin'ny taranja 22 no hiaro ny voninahi-pirenena any Beijing. Sahisahy ihany ny mpitarika mikendry ny hahazo medaily 10 na 11. Na dia kely fahazoam-baovao tahaka izany aza ny mpamaham-bolongana dia manombatombana ny vokatra mety ho azo ihany ary tsy nanary ny fitiavan-tanindrazana:

Most part of the delegation is a ballast, those playing in team sports, in which Kazakhstan is pretty weak. Handball and volleyball can be discounted — that's 26 persons out. The exotics like table-tennis and kayak-paddling can be disregarded as well. We don't have obvious candidates for the gold medals, except for Ilya Ilyin, a weight-lifter. Several silver and bronze medals can be derived from boxers, wrestlers, rhythmic gymnastics and judo. So, the result will be, most likely, the same as in previous time, the 40th place. Although I'd be glad to be mistaken.

Vaventy (sa bota?) ny ankamaroan'ny solontena, ary malaza ho malemy ireo mpilalao any amin'ny lalao iraisana. Azo tsy ampidirina ny Handball sy ny volleyball – efa 26 aloha izay no nihintsana. ny lalao tsy dia malaza tahaka ny tenisy ambony latabatra sy ny fivoizana lakana ihany koa dia efa azo tsinontsinoavina. Tsy dia manana kandidà handrombaka ny medaily volamena loatra isika ankoatra an'i Ilya Ilyin mpibata fonjam-by. Ny ankamaroan'ny medaily volafotsy na alimo mety ho azo dia metyhoavy amin'ny mpanao ady totohondry, tolona, hetsika arahin-kira aryny judo. Noho izany dia hifanakaiky amin'ny vokatra teo aloha ihany ny mety hoazo amin'ity, ny laharana faha-40. Na izany aza tena faly aho raha diso izay fanombanako izay.

hoy i epolet ary nampiany hoe: “Hovizanin'ny Shinoa avokoa ny rehetra amin'ny taranja rehetra!” [rus].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.