- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Myanmar: Tanora be olana ao Londres

Sokajy: Myanmar (Birmania), Tanora

Mahatsiaro voakasika amin'ny fianahan'ny ditra tafahoatra lasa heloka ataon'ny tanora ao Londres (Renivohitry Angiletera io) ny mpamaham-bolongana Birimana mipetraka amin'io tanàna io. Latsa-panontaniana lalina i Steve E.  “Nahoana moa no niakatra haingana dia haingana ny fifamonoana amin'ny alalan'ny antsy amin'izao fotoana izao?” ary mieritreritra fomba entina hampihenana [1] izao fanaovana heloka bevava izao izy raha mbola vavolombelona [2]  nahita maso ny gidragidra ifanaovan'andian-jatovo ihany i CMS  etsy ankilan'izany.