- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrein:Fomba fijery ny asa an-tsitrapo

Sokajy: Bahrain, Hevitra, Tanora, Vonjy Voina

Misy any amin’ny firenen-drehetra ny asa an-tsitrapo, saingy ny antony mandrisika ny mpirotsaka an-tsitrapo no miovaova be ihany. Mpitoraka blaogy iray avy ao Bahreïn, mandranto fianarana any Royaume-Uni amin’izao fotoana izao, no manao fampitahàna ny antony mandrisika ireo mpirotsaka an-tsitrapo any amin’ny fireneny sy ny any amin’ny firenena tandrefana.
Atombok’i Sayed Mahmood Alaali[arabo] amin’ny famaritana izay heveriny ho fahasamihafana [1] lehibe.

أردت منذ مدة طويلة الحديث حول مفهوم العمل التطوعي لدينا في قريتنا وربما البحرين بشكل عام و اختلافه عن مفهوم العمل التطوعي في الدول الغربية. فيبدو أن هنالك إختلافات جوهرية بين مفهومنا للعمل التطوعي المتربط بتقديم العمل بدون مقابل لوجه الله سبحانه و تعالى، وبين المفهوم الغربي لتقديم العمل التطوعي المرتبط أساساً بإعتقاد الشخص في القضية التي يخدمها.

Efa ela tokoa no naniriako hanoratra mikasika ny fomba fijery ny asa an-tsitrapo ao amin’ny tanananay ary angamba koa erak’i Bahrein mihitsy, oharina amin’ny any amin’ny Tandrefana. Toa misy fahasamihafàna goàvana eo amin’ny fomba fijerinay ny asa atao an-tsitrapo, tsy iandràsan-tamby, noho ny fitiavan’Andriamanitra, oharina amin'ny fomba fijery tandrefana momba ny asa an-tsitrapo noho ny antony manokana, misy firehana.

بلا شك هنالك جوانب إيجابية في المفهومين، فمن ناحية العمل التطوعي لدينا فهو يعتمد على تقديم الخدمة الخالصة لوجه الله سبحانه تعالى من دون انتظار أي ناتج دنيوي، وبين المفهوم الغربي الذي يجازي أي فرد عن وقته الذي يقدمه من أجل خدمة الهدف أو القضية التي يعمل من أجلها. و ربما ما أثارني أيضاً هو أن بعض المنظمات اللاربحية في الدول الغربية تطلب من المتقدم للعمل التطوعي أن يدفع مبلغاً من المال نظيراً لعمله في هذه المنظمة!

Mazava ho azy fa samy misy mahatsara azy ireo fomba fijery roa ireo. Ho anay, matoky ny asa an-tsitrapo izahay, amin’ny anaran’ilay Andriamanitray, tsy manantena tambiny eto amin’ity tontolo ity. Fa any Andrefana kosa, valiana soa noho ny asa nataony noho ny fahatratràrany ny tanjona, anton’ny fanampiana nataony, ny olona. Fa ny tena nisarika ny saiko koa dia ireo fikambanana tandrefana sasantsasany hoe tsy mitady tombontsoa (ara-bola), mampandoa fandraisana anjara ireo mpanao asa an-tsitrapo ao aminy mba hahafahany miasa maimaim-poana ao anatin’ny fikambanany!

Manontany tena izy raha mety ho azo ampiharina any Bahrein ny sasantsasany amin’ireny fomba fijery tandrefana ireny:

هل بإمكاننا دمج بعض المميزات الخاصة بالعمل التطوعي في مجتمعنا و منظور الدول الغربية للعمل التطوعي؟ هذا ما سأسرده في هذه المدونة بشكل مبسط جداً إن شاء الله.
النقطة الأساسية التي دائماً ما أتناقش مع الأخوة حولها هي نقطة أن الشخص المتطوع كان بإمكانه الإستفادة من وقته في كسب المال بدلاً من تقديم خدمة العمل التطوعي والذي في مجتمعنا البسيط لا تأتي إلا بالمشاكل والإتهامات التي لا تنتهي. فلو تمكنّا من صرف بدل هذه الساعات و لو كان مبلغاً زهيداً فهو يفيد المتقدم بشكل مادي بسيط و في نفس الوقت يجعله ينظر للعمل من منظور أنه عمل مدفوع لا بد من أدائه بأحسن صورة

Vitantsika ve ny hampivady [handravona ho iray] sasantsasany amin’ireo fomba fijerintsika momba ny asa an-tsitrapo amin’ny fomba fijery tandrefana momba ny asa maimaim-poana? Izay no hojereko maimaika ato amin’ity hafatra ity. Ny teboka tena mivoitra ifanakalozako hevitra amin’ireo namako dia ny fahafahan’ny olona iray mamadika ny fotoany hanjary ho vola, toy izay hanao asa maimaim-poana, izay, raha ato anatin’ny fiaraha-monina misy anay, dia mitarika olana tsy hita fiafaràna. Raha azontsika omena sànda noho ny fotoana laniny ireo mpanao asa an-tsitrapo, na dia ho toy ny hasin-tànana fotsiny aza, dia efa fanomezan-danja ilay mpanao asa an-tsitrapo izay, izay hihevitra ny fiezàhany ho toy ny tena asa tokoa, izay tsy maintsy efaina am-pahamendrehana..

Soso-kevitra arosony avy eo ny fitaovana enti-miady amin’ireo fihetsika tsy mampandroso sedrain’ireo mpanao asa an-tsitrapo ao Bahrein:

لنقطة الثانية، هنالك خلل في نظرتنا للعمل التطوعي، فهنالك من ينظر عليه أنه عمل للظهور أو للوجاهة الإجتماعية و للأسف في مجتمعنا هذه هي الصورة المستشرية و ترى دائماً أن هنالك نظرة سلبية للمتقدم للعمل التطوعي حتى ولو كان من أتقى و أنقى الأشخاص في المجتمع، بلا شك أن هنالك حالة من عدم الثقة في المتعامل مع المبالغ النقدية حيث أن الناس دائماً ما تتهم هؤلاء الأشخاص بأنهم يفضلون فلاناً من الناس لتقديم المساعدة له بدلاً من شخص آخر ربما أكثر إستحقاقاً. و لذلك يمكن العمل على إيجاد هيئة نزاهة كما في العراق حالياً تراقب عمل المؤسسات التطوعية في المجتمع و تقوم بعملية تدقيق مالي وتدقيق إداري و كذلك ربما إضافة أفراد موثوقين من المجتمع للعمل في هذه المؤسسات لإبعاد النظرة السلبية التي دائماً ما يجابه بها من يرغب في التقدم للعمل التطوعي.

Ny teboka faharoa dia manana olana momba ny endrika ivelan’ny asa atao an-tsitrapo isika. Ny sasany mihevitra azy ho toy ny fomba iray hipoirana avy ao anatin’ny fiaraha-monina, toy ny fahazoan-dàlana iray hizorana ho amin’ny toeram-pahamboniana. Indrisy, sary ratsy miely io, ary hahita ianareo fa ireo mifofotra mafy dia toa tsy asiam-bidiny akory, eny fa na dia isan’ilay fiaraha-monina tsotra izao aza izy ireo. Manjaka ny tsy fitokisana ireo mpitantana ny vola fanampiana: tsy maintsy misy foana hitoroka azy ho mitongilana amin’itsy fa tsy mijery an’iroa izay angamba tena mendrika ny ho tolorana ny fanampiana. Izany no antony tokony hieritreretantsika ny hanangànana vaomieran’ny fahamendrehana, toy ny any Iraka izay mitantana ny asan’ireo fikambanana mikarakara ny maha-olona ary misahana ny fanadihadiana ara-bola. Tsara mihitsy koa ny hampidirana ho mpikambana ireo to-teny eo anivon’ny fiaraha-monina ho ao anatin’ny fanaovana asa an-tsitrapo.

Ary farany, dia manamarika izy ny fomba nahazatra raiki-tampisaka amin’ity asa an-tsitrapo teto amin’ny tanànan’i Bahreïn ity, sy ny tsy firaikàna eo amin’ny tarànaka tanora mandimby:

النقطة الثالثة، العزوف عن العمل التطوعي. فمن خلال ملاحظتي ونقاشي لبعض الأخوة في القرية أجد أن هنالك عزوف جماعي عن العمل التطوعي لما فيه من صعوبات جمة لا تنتهي تبتدأ أولها بالأعمال والمسؤوليات التي لا تنتهي والنهاية عند الإتهامات التي لا يتحملها الفرد. و كانت هنالك رغبة لدى المؤسسات في قرية عالي لإقامة مؤتمر حول هذا الأمر إلا أنه تأجل كما يبدو و أرجو أن يتم العمل عليه بأسرع فرصة ممكنة لأن القرية باتت تعاني من عزوف الطبقة الشابة عن العمل التطوعي و انحصاره في طبقة معينة.

Ny teboka fahatelo dia ny tsy firaikàna amin’ny fanaovana asa an-tsitrapo. Tamin’ireo resadresaka nifanaovako taman’olona teto an-tanànako, dia hitako fa andosiran’ny maro ny fanaovana asa an-tsitrapo noho ireo olana maro manodidina azy io, manomboka amin’ny vesatry ny asa ka hatrany amin’ireo andraikitra sahanina sy ireo fanenjehana tsy misy farany, izay tsy zàkan’ny olona. Ao amin’ny tanànan’i A'ali dia nisy fihaonana (fivoriana) tokony ho niresahana azy io. Nahemotra ilay izy. Antenaiko fa hisy haingana araka izay tratra izy io satria mijaly noho ny lositra ny asa an-tsitrapo ataon’ireo tanora ny tanàna, sy koa noho ny fivangongoan’ny sokajin’olona tokana amin’ireny sehatra ireny.