- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malaysia: Mpamaham-bolongana voampanga noho ny fanendrikendrehana

Sokajy: Malezia, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Zon'olombelona

Ampangaina noho ny fanendrikendrehana famonoana olona ilay mpamaham-bolongana Malaysiana malaza Raja Petra Kamarudin. I Benstakes no mampahafantatra antsika [1] ny fifandraisan'io fiampangana io amin'ny “fanendrikendrehan'ny ” mpamaham-bolongana ny vadin'ny Praiminisitra ho tafiditra tamin'ny famonoana ilay mpilatro Môngôla.