- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Fanambadiana aloha loatra sy fahasimban'ny taova

Sokajy: Madagasikara, Fahasalamàna, Fanabeazana, Lalàna, Tanora, Vehivavy sy Miralenta

Mialy [1], mpamaham-bolongana avy eto Antananarivo, no mamelabelatra ny fahoriana mianjady amin'ny  zazavavy manambady [2] [fr] any ambanivohitra noho ny olana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana vokatry ny fanambadiana aloha loatra. Azavainy ary fa ny fistule (fahasimban'ny taova toy ny lalanjaza), vokatry ny fiterahana aloha loatra, ka miteraka tsy fahatazonana fivalanandrano (tsy matatanty poritra) sy fanilikihan'ny fiaraha-monina azy. Navelan'ny lalàna hanambady manko ny zazavavy 14 taona mandra-pahatongan'ny taona 2007. Ny fahalafosan'ny sara-pitsaboana sy ny fahabangan'ny fampianarana (tsy mahatody fa tsy hoe tsy mataho-tody!) no antony roa nanasarotra ny raharaha.