- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mongolia: TV-mpirenena voasivana noho ny fitongilanana

Sokajy: Mongolia, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Media sy Fanoratan-gazety

Tom Terry no mampahafantatra [1] ny mpamaky fa nosivanin'ny vaomiera maharitry ny mpanao lalàna ao amin'ny Antenimiera ny TV-mpirenena Mongoliana (MNTV) noho ny tsy fahasahiany nanao ny asa  maha-manao gazety azy tamim-pahaleovantena nandritra ny rotaka (ilay fandorana ny foiben'ny antoko komonista teo aloha) teo sy ny nanarahany ny fametrahan'ny filoha ny firenena ho latsaka an-katerena (Etat d'urgence).