- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hong Kong: Mividy vola

Sokajy: Hong Kong (Shina), Fanatanjahantena, Toekarena sy Fandraharahàna

Namoaka vola taratasy hahatsiarovana ny lalao Olaimpika hotontosaina any Beijing ny Bank of China any Hong Kong. Anarivony no nilahatra telo andro mialoha [1] mba hahazoana izany vola taratasy izany ka niteraka savorovoro. Florence avy amin'ny Over the Rainbow (Ambonin'ny Avana) no voatery niresaka ny vaovao ka nilazalaza fa tsy hifanakalozana eny an-tsena io vola io ary taratasy tsotra fotsiny izao vola vidian'ny olona izao [2].