Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

17 Jolay 2008

Tantara tamin'ny 17 Jolay 2008

Egypta: Mirodana ireo tranobe

Zava-mahazatra eto Egypta ny lohateny vaventin’ireo gazety milaza fikorotsahana tranobe , ary koa ireo vatana mangatsiakan’ankizy sintonina avy any ambanin’ireny korontan-javatra ireny. Ibn Al Dunya, [anglisy], ao amin’ny blaogy Fustat, dia mitatitra ny zava-doza farany hatreto, izay namoizana ain’olona tsy manatsiny dimy. Hoy ny mpitoraka blaogy manazava [anglisy]: Tranobe iray...

Shina: Dokambarotra Olaimpika

Adrienne Wong avy ao amin'ny Shanghaiist no nanamarika fa ny doka fanoheran'ny Amnesty International ny lalao Olaimpika  any Shina sy ny dokambarotry Adidas mandritra ny Lalao Olaimpika dia nolokoiin'ny orinasa iray ihany izay tsy iza fa ny (TBWA).

Hong Kong: Mividy vola

Namoaka vola taratasy hahatsiarovana ny lalao Olaimpika hotontosaina any Beijing ny Bank of China any Hong Kong. Anarivony no nilahatra telo andro mialoha mba hahazoana izany vola taratasy izany ka niteraka savorovoro. Florence avy amin'ny Over the Rainbow (Ambonin'ny Avana) no voatery niresaka ny vaovao ka nilazalaza fa tsy hifanakalozana eny...