- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozambika: famoronana hiatrehana ny olana ara-tsakafo

Sokajy: Mozambika, Hevitra, Sakafo, Toekarena sy Fandraharahàna

O Silêncio de Kianda [1] [pt] no mitondra ho antsika sombim-baovao mahafinaritra amin'ny fikaratahan'ny olona hiatrehana ny olana ara-tsakafo: mofo vita amin'ny mangahazo voatoto fa tsy amin'ny varimbazaha. “Mahavokatra mangahazo 3 000 000T isan-taona manko i Nampula [faritany iray any Mozambika] ary ampy hamelomana ny fandraharahana momba ny fanaovamofo sy hojifain'ny mponina tsara izany”.