Japàna : Fanambarana mikasika ireo olona nalaina an-keriny izay miteraka fahatezerana

Ny fanambarana nataon'i Koichi Kato, mambran'ny Antoko Liberaly Demôkratika Japôney [Liberal Democratic Party] sady ministra teo aloha rahateo, tamin'ny 7 Jolay 2008 lasa teo dia niteraka fahatezerana teo anivon'ireo mpiblaogy Japoney sy tao amin'ny vohikala 2channel [Japôney]. Ny tsy fandrosoan'ny adihevitra fikatsahana fihavanana amin'ny Japàna sy Kôrea Avaratra dia narohin'i Koichi Kato tamin'ny raharaha izay tsy mbola namerenan'i Japàna amin'i Kôrea Avaratra foana ireo olona 5 izay nalain'i (Kôrea Avaratra) an-keriny [Anglisy] ary navotsotry Kôrea Avaratra ho any Japàna amin'ny fehim-potoana noheveriny ho fotoana fohy monja tamin'ny taona 2002. Ireo vondron'olona nalaina an-keriny ireo dia teratany Japôney nalain'ny fitondrana any Kôrea Avaratra tamin'ny faramparan'ny taona 1970 sy ny voalohandohan'ny taona 1980 [Anglisy], ary mbola nanjavona tsy hita mandrak'androany ny ankamaroan'ireo olona nalaina an-keriny ireo [Frantsay].

Araky ny fanambaran'ny indraim-bava [Japôney] izay tanisain'ireo blaogy sy serasera izay mikasika izay antony nahatonga ny fanapahan-kevitra noraisina tamin'ny taona 2002 mba tsy hamerenana  amin'i Pyongyang ireo olona nalaina an-keriny izay namangy tany Japàna, dia nambaran'i Koichi Kato : “(Voalza fa) raha nampodiana izy ireo, dia ho novonoin'ny fitondrana any Pyongyang, anefa dia izany no mahasamihafa ny zotra pôlitikako [amin'ny mpanao pôlitika hafa toa an'i Shinzō Abe : Praiministra herintaona Septambra 2006-Septambra 2007]. Tsy misy izay antony tokony iheverana fa hanatanteraka izany famonoana izany tokoa ry zareo [Kôreana Tavaratra].”

jieeku no mamaly ao amin'ny rare metal [vy vitsy mpanana] :

私はこの記事を読んで、憤っています。

どの様なことを言われても、拉致は犯罪行為のなにものでもないのですよ。

Mampisafoaka ahy ny famakiana ity lahatsoratra ity.
N'inoninona fomba ilazana azy, dia heloka be vava ny fakana olona an-keriny.

拉致被害者の家族の方がオッシャッテいます。

「拉致問題は簡単なことなんです。犯罪だから」っと。

国民の大多数の人々が、拉致は犯罪だと考えています。

お国の政治家さんらは、被害者の方々を政治の道具としてしか、お考えになっていませんか?

日本国民を未だに犯罪から救い出すこともしないで、加藤さん、何をオッシャテおられるのですか。

Araky ny ambaran'ny fianakavian'ireo olona nalaina an-keriny :“Tsotra ihany izay tokony iheverana ny fakana an-keriny, heloka be vava izany”.
Heverin'ny ankamaroan'ny vahoaka ho heloka be vava ny fakana an-keriny.
Moa ve heverin'ireo mpanao pôlitika ho toy ny vatom-panorona [anaovana paika pôlitika] fotsiny ve ireo tra-boina ?
Inona izato mba vavanao ry Kato, hatramin'izao tsy mbola hita izay ezaka mba nataonao mba hanafahana ireo Japôney ireo tam,in'ny heloky ny fakana azy an-keriny ?

kisaragiyayoi852 kosa dia velom-panontaniana :

人として恥かしくないのか?

政治家って国益のためならば個人を見殺しにしてもいいという考えしかないのか?

Na dia amin'ny maha-olombelona fotsiny ve dia tsy menatra izy [amin'izany zavatra ambarany izany] ?
Heverin'ny mpanao pôlitika ho rariny ve ny famelana olona ho vonoina ho maritiora raha hiteraka tombotsoan'ny firenena izany ?

Ny sasany kosa dia avy dia mivantambatana tamin'ireo hafatra napetrany. yoshikazu53toyoshima  dia namaly amin'ny fehezanteny roa monja :

黙れ、売国奴!

Mangina, Mpamadika [tanindrazana] !

日本から立ち去れ!

Mialà teto Japàna !

Ao amin'ny Cthulhu in the Water no anoloran'ny mpiblaogy hafa izay fomba fijeriny ka mampitaha izany amin'ny raharahan'ny fanodikodinana fiaramanidin'ny zotra an'habakabaka Japan Airlines laharana faha-351 :

加藤紘一(敬称を付ける気にもならない)は、拉致被害者やその家族に面と向かって同じ台詞を言うことができるのか。もしも、北朝鮮との交渉に生け贄が必要だというのなら、なぜ、自分の家族を差し出すと言えないのか。かつて、よど号ハイジャック事件が起きたとき、山村新治郎運輸政務次官は人質の身代わりとなって男を上げた。同じように、加藤紘一が自分の家族を差し出せば、政治家として株を上げることができただろう。自分は安全な場所にいて、無力な拉致被害者を生け贄にしようなど、卑劣きわまりない。

Manontany tena aho raha i Koichi Kato (tsy tiako apetraka eto akory izay anaram-boninahiny)  dia sahy hifanatry tava amin'ireo nalaina an-keriny sy ny fianakavian'izy ireo ka mbola sahy hitana izany teny nambarany izany ihany. Raha ilàna martiora hatao “fanatitra hodorana” tokoa ny adihevitra fikatsahana fihavanana amin'ny Kôrea Avaratra, nahoana no tsy ny fianakaviany no atolony [ho fanatitra] ? Tamin'ny fotoan'andro izay nanodikodinana ny zotra Japan Airlines 351, Shinjiro Yamamura, izay ministra lefitry ny fitaterana, dia nitolo-tena mba ho solo voina sy takalon'ireo olona nalaina an-keriny. Raha nanolotra ny fianakaviany toy izany koa i Koichi Kato dia ho nirongatra niakatra mihitsy ny fihevitry ny vahoaka azy [laharany] amin'ny maha-mpanao pôlitika azy. Ny fanolorana ho martiora ireto olona tsy manantsiny izay tra-boin'ny fakana an-keriny ireto, anefa ny tena dia tsara afina ambadiky ny fiarovana dia tena midika fahambanian-tsaina mihitsy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.